Tsiahy ny tolona 25 septambra : « Rehefa tsy tiana aho dia miala », hoy ny Filohan’ny Fanavaozana
Notsiahivina teny Antanimbarinandriana, androany 25 septambra 2026, ny tolom-bahoaka tamin’ny 25 septambra 2025. Tamin’io fotoana io, nilaza ny Filohan’ny Fanavaozana, Kolonely Randrianirina Michaël, fa tsy hanery ny vahoaka hitia azy izy ary « rehefa tsy tiana » dia hiala.
Tsangambato fahatsiarovana eny Antanimbarinandriana
Nankalazaina tamin’ny alalan’ny fitokanana tsangambato sy fametrahana fehezam-boninkazo, teny Antanimbarinandriana, androany 25 Septambra 2026, ny fahatsiarovana ny tolom-bahoaka tamin’ny 25 Septambra 2025. Io hetsika io no nitondra tamin’ny fiovan’ny fitondrana ary nahatongavana tamin'izao vanim-potoanan’ny Fanavaozana izao.
Nanatrika ny lanonana ireo mpanolotsaina avon'ny Fanavaozana 4 mirahalahy, by praiminisitra Rajaonarison Mamitiana, ireo mpikambana sasantsasany eo anivon'ny governemanta, ireo mpanohana ny Fanavaozana, ireo fikambanana samihafa ary ireo tanora, anisan’izany ny Gen-Z Madagasikara. Nisy ihany koa, nandritra izany, ny fanoratana tao amin’ny Boky Volamena, ho fahatsiarovana ny tolona.
« Tsy andro hanaovana fety »
Tsy nahatratra ny lanonam-pahatsiarovana notontosaina ny maraina ny Filohan’ny Fanavaozana, Randrianirina Michaël, noho ny fandraisany anjara tamin’ny fivoriana tany amin’ny Firenena Mikambana. Vantany vao nigadona teto an-tanindrazana anefa izy, dia tonga teny amin’ny tsangambato, nanatitra fehezam-boninkazo. « Tsy andro natao hanaovana fety ny androany, fa hampahatsiahivana ny rehetra fa nisy tolona teto, nisy ny naratra, maro no voatifitra », hoy izy.
Tokony hampahatsiahy ireo mpitondra miaraka aminy ihany koa ity tsangambato ity,araka ny nambarany, fa nisy ireo olona nitolona ka nahatonga ny fiovan’ny fitondrana. Notsindriany manokana ny ady amin’ny kolikoly, izay mbola misy, hoy izy, ka nilazany fa ilaina ny fananganana rafitra manokana hiadiana amin’izany, miaraka amin’ny tanora.
« Rehefa tsy tiana aho dia miala »
Nazavain’ny Filohan’ny Fanavaozana, fa isan’ireo dingana manaraka ny fananganana ny Conseil Consultatif de la Refondation de la République (CCRR), izay tokony ahitana olona manana traikefa, fa indrinra ny tanora. Nambarany fa manodidina ny 70 ireo olona ho mpikambana ao anatin'izany rafitra izany. Niresaka momba ny Conseil économique, social et culturel (CESC) ihany koa izy. Manodidina ny 100, araka ny nambarany, ireo mpikambana handrafitra azy io, ka tokony hanana toerana lehibe ao anatin'izany ny tanora.
Tao anatin’ny kabariny dia nanamafy ny filohan’ny Fanavaozana fa tsy tokony hamerina ireo fomba nitarika tamin’ny fifandonana sy ny famoizana aina ny fitondrana vaovao. « Ny habibiana nahatonga izao tsangambato izao, ny hitifitra sy hamono ny vahoaka malagasy, dia tsy ho hitanareo hataoko velively. Izaho rehefa tsy tiana, dia tsy hanery ny olona hitia ahy. Rehefa tsy tiana aho dia miala. Tenin-dehilahy izay ! », hoy izy.




