• Cours de change
  • €4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Vaovao

Mahajanga : Efatra andro anandratana ny fizahantany malagasy sy ny teknolojia nomerika

24/09/2026 16:12 © Moov.Mg

Hetsika mandritra ny efatra andro, nanomboka androany 24 ka hatramin’ny 27 septambra 2026, no anamarihana ny Andro maneran-tany ho an’ny Fizahantany aty Mahajanga. Anisan’ny hifantohan’ny fankalazana ny anjara toeran’ny nomerika sy ny faharanitan-tsaina artifisialy (IA) amin’ny fanavaozana ny sehatry ny fizahantany.

Mahajanga, renivohitry ny fankalazana

Ny renivohitry ny Faritra Boeny no mandray ny fanamarihana nasionalin’ny Andro maneran-tany ho an’ny Fizahantany amin’ity taona 2026 ity. Efa misokatra eny amin’ny Village Touristique ireo tranoheva fampirantiana, ahitana mpisehatra amin’ny fizahantany sy ireo sehatra hafa mifandray aminy. Hetsika ara-panatanjahantena sy fialamboly maro ihany koa no mandrafitra ny fandaharam-potoana.

Nanomboka androany alakamisy 24 septambra maraina ny hetsika, tamin’ny alalan’ny dia an-tongotra mirefy 5 km, niainga teo amin’ny Lapan’ny Tanànan’i Mahajanga nihazo ny Village Touristique, narahin’ny zumba. Mitohy amin’ny yoga, fanadiovana tora-pasika ary fifaninanana mahandro sakafo « Loky Boeny » izany, rahampitso zoma 25 septambra.

Nomerika sy IA, lohahevitra voizina

« Ny nomerika sy ny faharanitan-tsaina artifisialy entina hanavaozana ny fizahantany » no lohahevitra voizina mandritra ity fankalazana ity. Hojerena mandritra ny dinika sy ny famelabelaran-kevitra ireo fanararaotra atolotr’ireo teknôlôjia ireo, ary koa ny fepetra tokony harahina amin’ny fampiasana azy.

Tanjona ny hanatsarana ny tolotra fizahantany malagasy sy hanamora ny fahafantaran’ireo mpizahatany, eto an-toerana sy avy any ivelany, ny toerana azo tsidihina eto Madagasikara. Tafiditra ao anatin’izany ny fampifanarahana ny sehatra amin’ny tontolo nomerika sy ny fampiroboroboana ny fizahantany maharitra.

Carnaval sy fampisehoana lehibe

Ny sabotsy 26 septambra no hanatanterahana ny Carnaval lehibe, miainga eo amin’ny Lapan’ny Tanànan’i Mahajanga amin’ny 3 ora tolakandro, ary mifarana eny amin’ny Village Touristique. Eny an-toerana no hanatanterahana ny lanonam-panokafana ôfisialy sy fampisehoana iarahana amin’ireo mpanakanto, anisan’izany i Stéphanie, izay masoivohon'ny Yas Madagascar, izay mpanohana izao hetsika izao. Eo ihany koa i Bagzana, Jarifa, Clo Mahajanga 2, sy ny maro hafa. Ny alahady 27 septambra moa dia hatokana hitsidihana ireo toerana fizahantany mampiavaka ny Faritra Boeny.

Delegasiônina manodidina ny 300 isa, avy eo anivon'ny ministeran'ny Fizahantany sy ny Asa Tanana, no manatrika ity fankalazana aty Mahajanga ity, araka ny nambaran’ny minisitra, Vololoniaina Lucie Rafaralahy.

Lire la suite

Articles Similaires