Fomba fanaovana « pâte brisée » tsy mampiasa dibera
Maro ireo karazana nahandro ampiasana ny « pâte brisée » raha tsy hitanisa afatsy ny « tarte » sy ny « flan » isika. Raha ny fomba fikarakarana azy fanao moa dia mampiasa dibera. Somary be masokarena nefa ny fampiasana izany. Ity ary misy fomba iray tsotra hanaovana « pâte brisée » tsy mila dibera.
Ireo akora ilaina
-Lafarina 200g ;
-Rano 80ml ;
-Menaka 2 sotro fihinanana ;
-Sira 2 tsongo ;
-Siramamy 1 tsongo.
Ireo dingana amin’ny fikarakarana azy
Arotsaka anaty bol ny lafarina, ny sira sy ny siramamy. Aroharoana amin’ny fouet mba hifangaro tsara daholo.
Avy eo harotsaka ny rano sy ny menaka. Volavolaina amin’ny tanana ireo fangaro rehetra mandrapahazoana paty mivaingana sy mitambatra tsara. Tsy ajanona volavolaina raha tsy mahazo vaingana paty.
Raha toa ka mafy loatra ilay paty dia asiana rano kely ary tohizana volavolaina. Raha toa kosa ka miraikidraikitra malemy loatra dia tapohana lafarina kely.
Rehefa mitambatra tsara sy malefaka ilay paty dia volaina ho lasa boule lehibe iray. Rehefa vita izay dia fonosina anaty film alimentaire ary apetraka anaty vata fampangatsiahana mandritra ny 30 minitra farafahakeliny.
Rehefa vita izay dia azo ampiasaina amin’izay ilay « pâte brisée ». Rehefa manafisaka azy dia mampiasa « rouleau pâtissier ».