Fomba atao hanesorana siligaoma miraikitra amin’ny akanjo
Isan’ny zavatra manahirana tokoa ny manala siligaoma miraikitra amin’ny akanjo. Mety hoe afaka esorina ilay vaingan’ny siligaoma iny fa avy eo misy ambiny mamela tasy sarotra alana. Raha kikisana mety hanimba ilay lamba. Ireto ary misy torohevitra tsotra sy mahomby hanesorana siligaoma miraikitra amin’ny akanjo.
Mampiasa glaçon
Fomba iray isan’ny fantatry ny maro ny fampiasana ny hatsiaka hanesorana ny siligaoma miraikitra eo amin’ny akanjo. Tsotra ny atao amin’izany. Kosehana amin’ny glaçon eo amin’ilay siligaoma mba hahamafy azy sy hahamora ny fanendehana azy. Rehefa mafy ilay siligaoma dia sokirina mora amin’ny sotro mba hampiendaka azy. Azo atao ihany koa ny mametraka ilay akanjo anaty « congélateur » mandritra ny adiny 2 ora avy eo sokirina amin’ny sotro ilay siligaoma hiala.
Lomana savon liquide
Mandaitra amin’ny fanesorana ny siligaoma miraikitra amin’ny akanjo ihany koa ny savon liquide. Rakofana azy io ilay siligaoma ary avela hilona mandritra ny minitra vitsy mba hiditra anatin’ny « particules » an’ilay siligaoma ilay savony ranony. Rehefa izay dia borosiana amin’ny borosy « à poils durs » ilay siligaoma. Tsara raha lamba mafy, toy ny jean, no ampiasana ity torohevitra ity. Avy eo endahina amin’ny « spatule » ilay siligaoma mba hiala tanteraka.
Mampiasa hafanana
Azo atao ihany koa ny mampiasa hafanana hanesorana ny siligaoma miraikitra amin’ny akanjo. Asiana « papier sulfurisé » na baoritra manify eo ambonin’ilay siligaoma avy eo tsindrina amin’ny fera fipasohana mampiasa entona na « ver à vapeur ». Rehefa tratr’ilay hafanana ilay siligaoma dia hiendaka ary hifindra amin’ilay « papier sulfurisé » na ilay baoritra. Akanjo mahazaka mamay no anaovana ity torohevitra ity.
Kosehana amin’ny vinaigitra fotsy mafana
Maro ireo fomba fiasan’ny vinaigitra fotsy amin’ny fanadiovana. Mandaitra ihany koa ity akora ity amin’ny fanesorana siligaoma miraikitra amin’ny lamba noho izy manana « acidité » ambony. Mba hanamafisana ny fiasany dia mila hafanaina ny vinaigitra fotsy. Avy eo atsoboka ao ny chiffon madio ary ity farany no hikosehana ilay siligaoma. Mety maharitra kely ny fanaovana izany ka mila faharetana mba hampiala tsara ilay siligaoma.