• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Berluce
Image
DYI

Fikafika hisorohana ny fofona ratsy anaty kiraro

22/10/2024 16:19 © Moov.Mg

Toe-javatra iray isan’ny manelingelina sy mahamenatra ny fofona ratsy anaty kiraro. Indraindray na dia sasana tsara ary ny tongotra ary madio tsara ny kiraro sy bà kiraro anaovana dia toa mbola misy ihany izany fofona ratsy izany. Ireto ary misy fikafika azo ampiharina hisorohana ny fofona ratsy anaty kiraro.

Rarahana karibonetra anaty kiraro

Efa tsy zoviana amin’ny rehetra intsony ny fiasan’ny karibonetra amin’ny fiadiana amin’ny fofona ratsy isan-karazany. Manana fiasa « antifongique » tokoa mantsy izy ireny ka afaka manala ny fofona ratsy anaty kiraro. Tsotra ny fampiasana azy. Rarahana karibonetra 4 sotro fihinanana ao anatin’ny kiraro tsirairay avy nodiovina sy namainina tsara. Atao miparitaka tsara mameno ny « semelle ». Avy eo fonosina anaty « sac plastique » mihidy ireo kiraro ary ampidirina anaty « congélateur ». Avela hilona ao mandritra ny alina tontolo.

Rarahana levure chimique

Raha sendra tsy misy karibonetra ao an-trano dia afaka mahasolo izany ihany koa ny levure chimique. Sady mitroka ny fofona ratsy moa ity farany no mitroka ny hamandoana anaty kiraro ka mamono ireo bakteria mahatonga ilay fofona ratsy. Rarahana levure chimique 1 sotro fihinanana ao anatin’ny kiraro vao avy nanaovana. Avela hilona mandritra ny alina tontolo. Rehefa maraina dia ahintsana tsara.

Mampiasa tain-kafe

Maro ihany koa ny zavatra azo ampiasana ny tain-kafe amin’ny fanadiovana sy ny fanesorana ireo fofona ratsy ao an-trano. Mbola mandaitra ihany koa ity akora natoraly ity hiadiana amin’ny fofona ratsy anaty kiraro. Rarahana tain-kafe maina tapaky ny kaopy anatin’ny kiraro tsirairay. Tandremana tsara mba ho kiraro madio sy maina tsara no atao izay. Avela hipetraka mandritra ny ora maromaro avy eo esorina tsara ireo tain-kafe.

Kosehana amin’ny alamo

Ny alamo dia akora natoraly fampiasa hiadiana amin’ny fofon-kelika. Azo ampiasaina hisorohana ny fofona ratsy anaty kiraro ihany koa izy ity. Tsotra ny fanaovana azy. Alaina ny alamo vaingany ary somary lemana kely. Io alamo io no hikosehana avy hatrany ny « semelle » ny kiraro. Sady mampihena ny hatsembohan’ny tongotra anaty kiraro izy ity no mamono ireo bakteria mahatona ny fofona ratsy.

Lire la suite

Articles Similaires