• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Manomano
Image
Vaovao

Lamaody sy toe-tsaina : Hamakafaka ny fifandraisan’ireo, ny psikôlôgy, ao amin’ny IFM

22/10/2024 16:14 © Moov.Mg

« Tsy misy akanjo hanaovana intsony aho » ! Ny vehivavy, hono, no matetika mpiteny izany, na toa aza ka feno akanjo sy kiraro ary kojakoja isan-kazany ao anaty fitoeran’akanjony. Fa maninona ary no sahiran-tsaina ny olona mitady izay akanjo hanaovany ? Izany no lohahevitra hovelabelarina mandritra ny « Dité Philo », dinidinika fanao ao amin’ny Institut Français de Madagascar ao Analakely.

Olana andavanandro

Rahampitso 23 ôktôbra 2024 no hanatanterahana ity « Dité Philo » ity, manomboka amin’ny 2 ora sy sasany tolakandro. Tafiditra ao anatin’ilay hetsika « Mode Ethique et Durable », izay hanandratana ny tontolon’ny lamaody manaja ny tontolo iainana, ity dinidinika ity. Mety heverina ho lohahevitra maivana ihany ny momba ny lamaody, saingy mifandraika amin’ny toe-po sy ny toe-tsaina ny fisafidianana ny akanjo anaovana. Noho izany indrindra dia nanasa psikôlôgy ny IFM Analakely, hamelabelatra ny momba izay « olana andavanandro » izay, dia ny hoe : « Tsy manana na inona na inona hanaovana intsony aho », eny na dia misy lobaka 50 isa, pataloha 70 isa sy akanjo tohitena 32 isa aza ao anaty fitoeran’akanjo ! Ankoatra an-dRandriamanana Kolo, manam-pahaizana momba ny saina, dia hitondra ny heviny ao ihany koa Rakotondrasanjy Rivo, filohan’ny Fivondronan'ny Mpandraharaha Malagasy (FIVMPAMA) sady isan’ny mpanorina ny orinasa mpikirakira lamba, UNITE ZERO S.A. Handray anjara amin’ny adihevitra, ankoatra izay, ny olon-tsotra, ka hisy tena mpanjifa lamaody ary hisy ihany koa ireo tsy mpividy fitafiana firy.

Hofakafakain’ireo mpandray anjara, ao anaty adihevitra, ny fomba fanomezan’ny olona fahafaham-po ny tenany, eo amin’ny lafiny fitafiana, araka izay fironan’ny fihetseham-pony sy araka ny filàny. Ho voaresaka mandritra io fotoana rahampitso io ihany koa, ny fiantraikan’ny lamaody amin’ny fomba fanjifana sy eo amin’ny tontolo iainana.

Lire la suite

Articles Similaires