• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Tongolo Crème
Image
DYI

Torohevitra natoraly mampaniry volo sy miaro azy tsy hihintsana

21/10/2024 16:43 © Moov.Mg

Maro ireo manana olana amin’ny fampaniriana ny volo. Misy ireo sarotra mihalava ny volo ary misy ihany koa ireo nihintsana nihasola ny volo ka tsy mety mitsiry. Ity ary misy torohevitra natoraly azo ampiharina mba hampaniry ny volo sy miaro azy tsy hihintsana.

Ireo zavatra ilaina

-Tongolo mena silany 1 ;
-Tapotsin’atody 2 ;
-Tantely 1 sotro fihinanana.

Ireo dingana amin’ny fikarakarana azy

Zaraina roa ny tongolo mena lehibe ka ny silany iray ihany no ampiasaina. Tetehana madinika io tongolo io ary atokana anaty lovia kely. Atao anaty bol ny tapotsin’atody ary araraka ao ny tantely. Avy eo arotsaka anaty mixeur na robot ireo akora rehetra ireo ary potserina miaraka. Rehefa mifangaro tsara sy mahazo fangaro malama tsara tsy misy mitambaingana intsony dia vonono izy izay.

Ny fomba fampiasana ity vokatra natoraly ity

Sasana madio tsara toy ny mahazatra amin’ny shampoing sy rano matimaty ny volo. Avy eo osorana ity vokatra natoraly ity. Atao mihosotra tsara mahazo ny hodi-doha sy ny lohan’ny volo. Somary horina kely avy eo avela hilona mandritra ny 15 minitra eo ho eo. Rehefa vita izay dia kobanina amin’ny rano mangatsiaka.
Mazava ho azy fa ho ratsy fofona ny volo rehefa avy nanao ity fikarakarana ity. Mila atao intelo isan-kerinandro nefa ny fampiasana ity vokatra natoraly ity mba ahazoana vokatra. Mila miharitra kely sy manana faharetana noho izany. Ho mora maniry sy tsy hihintsana be intsony ny volo rehefa mahavatra manao ity fikarakarana ity.

Lire la suite

Articles Similaires