• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Nockb
Image
Vaovao

Fibre Optique : Efa azo jifaina ny tolotra mora indrindra, 49.000 ariary

19/10/2024 21:40 © Moov

Androany sabotsy 19 oktobra no nampahafantaran'ny Telma Madagascar ny tolotra mora indrindra amin'ny Fibre Optique. Ny tolotra Fibre'in dia hahazoana 100 Go, amin'ny vidiny 49.000 ariary isam-bolana.

Ny takarivan'ny zoma 18 oktobra lasa teo no nanambaran'ny Minisitry ny Paositra sy ny Fifandraisan-davitra, Stéphanie Delmotte, ny fidinan'ny saran'ny Internet eto Madagasikara. Manomboka izao àry dia afaka misitraka ny Fibre Optique ny sarambabem-bahoaka. Manomboka amin'ny 49.000 ariary, izany hoe latsaky ny 10 euros, no anjifana izany.

FUP 100 Go

Tafiditra ao anatin'ny fanalalahana ny sehatry ny nomerika izao fanapahan-kevitra izao. Efa manaraka ny fetram-bidy eo amin'ny sehatra iraisam-pirenena izao ny eto Madagasikara, ary sarany mora indrindra eto Afrika izao tolotra izao.
100 Go isam-bolana no sitrahin'ny mpanjifa izay misafidy ny tolotra Fibre'in. Manome toky ny Telma Madagascar fa Internet haingam-pandeha no atolotra : 200 Mbps. Hatramin'ny 31 janoary 2025 dia maimaimpoana ny fitaovana sy ny fampidirana ny Fibre Optique. Entanina àry ireo te hisitraka izany mba hanantona ny Telma Shop akaiky indrindra.

Lire la suite

Articles Similaires