• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Antenimierampirenena
Image
Vaovao

Antenimierampirenena : Rakotondrasoa Fetra no lany ho filohan’ny vaomieran’ny serasera sy ny kolontsaina

18/10/2024 09:15 © Moov.Mg

Voafidy ho Filohan’ny Vaomieran’ny serasera sy ny kolontsaina eo anivon’ny Antenimierampirenena, ny Solombavambahoakan'i Madagasikara voafidy tao amin'ny Distrikan'i Miarinarivo, Faritra Itasy, Rakotondrasoa Fetra.

Nolanian'ny rehetra

Omaly alakamisy 17 ôktôbra 2024 no nanatanterahana izany fifidianana izany, teny amin'ny lapan'ny Antenimierampirenena Tsimbazaza. Araka ny fampitam-baovao dia kandida tokana ho amin'ity toerana ity ny depiote Rakotondrasoa Fetra. Ny vondrona parlemantera IRMAR no nanolotra azy. Nandany azy avokoa ireo tonga nifidy rehetra, izay avy amin’ny vondrona parlemantera efatra misy eo anivon’ny Antenimierampirenena.

Mpanao gazety

Raha tsiahivina dia mpanao gazety i Rakotondrasoa Fetra. Mpitondra tenin’ny fikambanan’ny mpanao gazety miady ho an’ny fahalalàhana maneho hevitra (MLE) no isan'ny tena nahafantarana azy, izay nihetsika tany amin'ny taona 2016, ho fanoherana ny fomba nampandaniana ny lalàna mifehy ny serasera, tamin'izany fotoana izany.

Efa nitazona ny andraikitry ny Filohan’ny Vaomieran’ny serasera sy ny kolontsaina teo anivon’ny Antenimierampirenena izy teo aloha, ary ankehitriny dia izy no hisolo an-dRamatoa Mara Volamiranty Donna, niantsoroka io andraikitra io, izay voatendry ho minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina ao anatin'ny Governemanta ankehitriny.

Lire la suite

Articles Similaires