• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Prm
Image
Vaovao

Famatsian-drano eto Antananarivo : Nanome « camion-citerne » ny sehatra tsy miankina

10/10/2024 09:12 © Moov.Mg

Nampanantena ny filoham-pirenena Andry Rajoelina, omaly, teny amin'ny hôpitaly manara-penitra Andohatapenaka, fa androany 10 ôktôbra 2024 ihany dia hamoaka vahaolana momba ny famatsian-drano eto Madagasikara, izay tsy tomombana efa herinandro maro izao. Isan'ny fehin-kevitra nivoaka tao anatin'ny filàn-kevitry ny minisitra notontosaina omaly, ny hanamafisana ny fiaraha-miasa amin'ny sehatra tsy miankina.

Fandrindrana asa

Noho ny hamehana misy eto Antananarivo manokana, dia nanome toromarika ny Filohan’ny Repoblika, ny hamondronana ireo fiara lehibe (camion-citerne) rehetra mpitatitra rano, ahafahana mamatsy ireo "bonbonnes" eto an-drenivohitra. Ankoatra ireo efa eo am-pela-tanan'ny minisitera sy ny JIRAMA, dia hisy ihany koa ny fiaraha-miasa amin'ny sehatra tsy miankina, mba hanampiana ny isan’ireo fiara lehibe ireo, araka ny tatitry ny filàn-kevitry ny minisitra omaly. Raha ny hita ao anaty pejy manokan'ny filoha Andry Rajoelina, dia efa eny amin'ny Lapam-panjakana Iavoloha ireo « camions-citernes » hanatevin-daharana ny famatsian-drano eto Antananarivo Renivohitra, mba ho vahaolana vonjimaika.
Etsy an-daniny, napetraka ny "Centre de Commandement Opérationnel" mba handrindra ireo asa mifandraika amin'ny famatsian-drano, sy hahafahana mandray fepetra haingana manoloana ireo tranga misy. Ny minisiteran’ny Rano, ny Fanadiovana sy ny Fidiovana no handrindra ny lafiny ara-teknika, fa hifandrimbona hanatanteraka ny asa kosa ny Governemanta iray manontolo, hoy hatrany ny tatitry ny filàn-kevitry ny minisitra.

Tetikasa lavitr’ezaka

Efa herinandro maro tokoa izay no niaina fahatapahan-drano, na tsy fahampian'ny tosiky ny rano, ny mponin'Antananarivo sy ny any amin'ny Faritra hafa eto Madagasikara. Mifanindran-dalana amin'izany ny fahatapahan'ny herinaratra mifandimby. Ny hain-tany amin’izao vanim-potoana izao no nambaran’ny avy eo anivon’ny Jirama fa mampananosarotra ny famatsian-drano. «Bonbonnes » 150 no efa naparitaka amin'ireo faritra sahirana amin'ny famatsian-drano, araka ny fanazavana azo, andro vitsy lasa izay, ka kamiao manodidina ny 10 no mamatsy ireo «bonbonnes » ireo.

Hatreto aloha dia vahaolana vonjimaika daholo ireo natolotra ireo. Ho an’ny tetikasa lavitr’ezaka, dia nanambara ny filoha, nandritra ny filàn-kevitry ny minisitra, fa ho hafainganina ireo tetikasa lehibe toy ny PAAEP SY NY TANA WATER III, izay hanampy amin'ny fampitomboana ny famokarana rano fisotro madio sy ny fanoloana ireo fantson-drano efa tranainy.

Lire la suite

Articles Similaires