• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © E-Nao Salama
Image
Vaovao

Homamiadan’ny nono : Manampy amin’ny fiarovana mialoha ny fitsapana ny nono matetika

08/10/2024 16:05 © Moov

Tsapaina isam-bolana amin’ny tanana ny nono ; raha sendra misy mamatovato dia mila manatona mpitsabo, hoy ny fanazavana avy amin’ireo mpitsabo. Ao anatin’ny fankalazana ny « octobre rose » isika eto Madagasikara ka hanentanana betsaka ity fitsapana ny nono ity. Fotoana iray hampiroboroboana ny fandraisana antanana ny homamiadan’ny nono sy ny homamiadana mpahazo ny vehivavy moa io fankalazana io. Manentana araka izany ny mpitsabo amin’ny fitsapana ny nono mba hahafahana miaro mialoha ny aretina.

Azo tsaboina

Maro ny trangan'ny homamiadan’ny nono tsy hita raha tsy amin’ny tranga fahasoratana. Raha ny tatitra farany avy amin’ny OMS dia ny 65% ny tranga izany. Etsy andaniny anefa dia fihetsika tsotra fotsiny dia mety hahafahana miaro mba tsy hahatongavana amin’izany. Marihina mantsy fa mahafaty ity aretina ity ary anisan’ny aretina mahatonga ny fahafatesana betsaka indrindra eo amin’ny vehivavy. Nanamarika ireo mpitsabo fa io fihetsika tsotra dia efa hahafahana mahafantatra amin’ny ampahany raha sanatria homamiadana ny amin’ny nono. « Ny fisiana endrika mivatovato ao anaty nono dia anisan’ny fambara voalohany amin’ny mety ho fisiana homamiadana. Hita amin’ny alalan’ny fitsapana ny nono izany », hoy ny mpitsabo homamiadna iray. Tao anatin’ny fanazavana, raha latsaky ny 1cm io mivatovato kely io dia mbola manana fanantenana betsaka ny amin’ny mety ho fahasitranana. Mahatratra hatramin'ny 90% na 100% mihitsy aza izany. Ao anatin’izany, ny homamiadan'ny nono hita ara-potoana dia azo sitranina avokoa.

Lehilahy sy Vehivavy

Tsy voatery ny vehivavy irery ihany no tokony hanana fahazarana amin’ity fitsapana ny nono ity. Tsara mantsy ny manamarika fa mety ahazo ny lehilahy sy ny vehivavy ity homamiadsana iray ity. Na dia amabany aza ny taha amin’ireo lehilahy tratran’izany dia tsara hatrany ny mitandrina. Fihetsika tokony hataon’ny tsirairay izany na isan’andro aza. « Atsangana ny sandry havanana. Ampiasaina rehefa avy eo ny rantsantanana telo afovoany amin'ny tanana havia,dia tsapaina miditra, avy any amin’ny faritra ivelany ny nono. Ahodina handrakotra ny nono manontolo ny tanana alohan’ny hitsapana ny faritra ny tratra rehetra. Potserina moramora rehefa avy eo ny lohanono ka arahina maso sao misy tsiranoka mivoaka », hoy ny fanazavan’ireo mpitsabo. Hatao toy izany ihany koa ny nono ilany. Amin’ny ankapobeny raha mahatsikaritra vatovato sy misy tsiranoka dia ny manatona mpitsabo no tokony hatao voalohany indrindra.

Lire la suite

Articles Similaires