• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Chu
Image
Vaovao

Fanatsarana ny rafitry ny fahasalamana : Nahazo fitaovam-pitiliana raitra ny CHU Andohatapenaka

09/10/2024 12:15 © Moov.Mg

Nahazo fampitaovana maoderina sy manara-penitra ny hôpitaly CHU Andohatapenaka, fiaraha-miasa amin’ny Fanjakana Japoney. Androany 9 ôktôbra 2024 no nitokanana izany tamin’ny fomba ôfisialy.

Raitra sy hiaka farany

Fitaovana fitiliana « Scanner Fujifilm supria 32 barettes » no natolotry ny Fanjakana Japoney, hampiasaina hanatanterahana fitiliana ireo aretina isan-karazany, ao amin’ny hôpitalin’Andohatapenaka. Raha ny fanazavana tsotsotra, dia fitaovana azo lazaina ho raitra sy hiaka farany, ahafahana maka sary mazava tsara ny ao anatin'ny vatana, ny « Scanner Fujifilm supria 32 barettes ». Ny hoe "32 barrettes" dia midika fa manana mpahita (détecteurs) miisa 32 izy, ka izany no mahatonga azy ho afaka maka sary haingana kokoa sy mazava kokoa, noho ny « scanner » izay manana mpahita vitsy kokoa. Izany teknôlôjia izany no ahafahan’ny dokotera mahita tsara ny taova, ny taolana, na ihany koa ny sela, mba hamantarana ny aretina, ny ratra anaty, na ho fanaraha-maso ny fivoaran'ny fitsaboana. Sady mamokatra sary tsara kalitao ity fitaovana ity no mampihena ny fatran'ny taratra (rayonnement) ilaina amin’ny fitiliana ny marary.

Fitiliana mahomby

Mitentina 3 miliara ariary ity fitaovana ity, araka ny nambaran’ny masoivohon’i Japana eto amintsika, Abe Koji. Tafiditra ao anatin’ny tetikasa iarahan’ny fitondram-panjakana malagasy sy ny governemanta japoney manatanteraka, izao fanomezana izao, izay miompana amin’ny fanamafisana ny rafitry ny fahasalamana eto amintsika, araka ny fanazavany. Izany dia mba ahafahana mampisitraka fahasalamana ho an’ny vahoaka malagasy, amin’ny alalan’ny fampiasana fitaovana maoderina sy mahomby kokoa eo amin’ny fitiliana ireo aretina isan-karazany. Dingana amin’ny fanatsarana ny tolotra ara-pahasalamana eo anivon’ny ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka kosa izao, hoy ny minisitra Randriamanantany Zely Arivelo. Notsiahiviny fa fitaovana « scanner » miisa 11 no efa azon’i Madagasikara, hatramin’ny fotoam-piasana voalohan’ny filoha Andry Rajoelina, ka avy amin’ny famatsiam-bolan’ny Banky Iraisam-pirenena ny 10 tamin’ireo.

Sarany mora

Nandritra ny fandraisam-pitenenany, dia nanamafy ny filoha Andry Rajoelina fa zo fototry ny vahoaka ny manana fahasalamana, ary adidin’ny Fanjakana ny manome fahafahana ny vahoaka hitsabo tena, amin’ny fampiasana fitaovana raitra sy manara-penitra. Ankoatra ny « scanner » avy amin’ny fitondram-panjakana Japoney, dia notokanana tamin’ny fomba ôfisialy androany ihany koa ny efitrano fitiliana nono, na fanaovana « mammographie », eo anivon’ny CHU Andohatapenaka, avy amin’ny fitondram-panjakana malagasy. Fanaovana « mammographie » miisa 2 no efa tonga eto Madagasikara, raha ny nambaran’ny filohan’ny Repoblika, fa tsy maintsy hametrahana daholo ny faritra rehetra eto Madagasikara ary hatao ho takatry ny fahefa-mividin’ny Malagasy izany. 100.000 Ar no ho saran’ny fanatanterahana izany « mammographie » izany eny amin’ny hôpitaly miankina amin’ny Fanjakana, raha ny nambarany hatrany.

Notsiahivin’ny filoha Andry Rajoelina, tamin’ity androany ity ihany koa, fa miisa 36 ny hôpitaly niorina teto Madagasikara, tamin’ny fotoana nitondrany, hatramin’ny vanim-potoanan’ny tetezamita. 10 taona lasa izay, no nitokanana ny CHU Andohatapenaka, izay notokanana tamin’ny volana janoary 2014.

Lire la suite

Articles Similaires