• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Cua
Image
Vaovao

Fandaminana tsena : Nafohezina ho herin-taona ny fandoavana ny hofan-tsena efatra taona eo Andravoahangy

09/10/2024 09:20 © Moov

Mitohy ny fandaminana ny tsena eto Antananarivo Renivohitra. Nitsidika ny mpivarotra miisa 400 tetsy amin’ny Brocanteurs Andravoahangy ny Filohan’ny Delegasiona Manokan’ny tanàna omaly. Tapaka nandritra izany fa hisy ny fanalefahana ny fandoavana ny hofan-tsena izay mbola tsy voaloa.

Trosa 4 taona

Raha tsiahivina dia tsy nandoa ny hofan’ny tsenany ireto mpivarotra amin’ny « box » miisa hatramin’ny 400 ireto tao anatin’ny dimy taona taona. Ao anatin’izany avokoa nanomboka ny taona 2020. Marihina anefa fa mampihena ny vola miditra amin’ny Kaominina izany ka mahatonga ny fihenan’ireo ezaka ara-tsosialy isan-karazany. Raha natao mantsy ny kaonty dia mitentina hatramin’ny 720 000 000 ariary ireo hofan-tsena ireo, raha 30 000 ariary izany isam-bolana. Nisy ny marimaritra niraisana tamin’ireo mpivarotra ka natambatra ho taona iray isaky ny « box » no haloan’izy ireo ho an’ny taona 2020 hatramin’ny taona 2023. Etsy andaniny dia nohamoraina ihany koa ny fandoavana izany izay afaka haloan’izy ireo indroa izany. Ny volana marsa sy jona 2025 no fe-potoana nomena tao anatin’izany. Marihina fa nifanarahana teo amin’ny Kaominina sy ireo mpivarotra izany rehetra izany. Etsy ankilany kosa anefa dia nomena fe-potoana hatramin’ny 10 novambra 2024 kosa ireto mpivarotra hanefana ny hofan-tsena ho an’ity taona ity.

Hiatrika ny fahavaratra

Ankoatra io fanefana ny hofan-tsena io dia anisan’ny nodinihina ihany koa ny fomba rehetra hiatrehana ny fahavaratra. Amin’ny ankapobeny mantsy dia miverina matetika eny amin’iny tsena iny ny fiakaran’ny rano rehefa fotoan’ny orana. Tanjona amin’izany ny fiarahana mitady vahaolana amin’ny fanaovana curage sy ny fijerena ny antony maha-tsetsina ny lakan-drano. Araka izany, nanamarika ny avy ao amin’ny Kaominina fa zava-dehibe ho an’ny rehetra ny fanefana ireo hofan-tsena ireo ho amin’izany asa fiatrehana ny fahavaratra izany. Ao anatin’izany ny fitaovana mety ho ilaina amin’ireo « curage » sy fanadiovana ireo. Azo lazaina fa nilamina io fifampiresahana io raha ny nambaran’ny avy ao amin’ny Kaominina. Nanaiky ny fandaminana rahateo ireo mpivarotra ho an’ny tombotsoa iombonana.

Lire la suite

Articles Similaires