• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Vaovao

EPP Mananjarasoa Andakana Ambatolampy : Nohavaozin’ny orinasa NEA tanteraka

08/10/2024 19:51 © Moov.Mg

Niverina ho toy ny vaovao indray ny endriky ny sekoly ambaratonga fototra (EPP) Mananjarasoa Andakana, ao amin’ny Distrikan’Ambatolampy. Nohavaozina tanteraka izany, vokatry ny fiaraha-miasa tamin’ny orinasa New Energy Africa (NEA).

Andraikitra amin’ny fiarahamonina

Efa tamin’ny taona 1978 no niorina ny EPP Mananjarasoa Andakana, araka ny fitantaran-dRamananjanahary Séraphin, talen’ny sekoly. Ao anatin’ny Kaominina Ambohipihaonana, Distrikan’Ambatolampy, Faritra Vakinankaratra, no misy azy.

Niezaka nanamboatra izay simba tao anatin’ny taona nifandimby ireo Ray aman-dreny, saingy tsy maharaka. Teo no nitsirian’ny hevitra hangataka ny fanohanan’ny orinasa NEA, izay orinasa misehatra amin’ny famokarana angovo maitso aty Afrika, ao anatin’ny vondrona Axian, ary manana fotodrafitrasa goavana miorina tsy lavitra ny EPP, dia ny « centrale photovoltaïque » izany, izay isan’ny mamatsy angovo azo avy amin’ny herin’ny masoandro ny tambajotra iraisan’Antananarivo (RIA). Ny NEA rahateo dia mahatsiaro ho manana andraikitra amin’ny fiarahamonina, ary isan’ny loha-laharana amin’izany ny fampiroboroboana ny fanabeazana, hoy ny fanazavan’i Tata Harison Jeremie, Tompon'andraikitry ny fitrandrahana (Responsable exploitation) ity fotodrafitrasa mpamokatra anvogo avy amin’ny herin’ny masoandro ao Ambatolampy ity.


Copyright Image : © Moov

Fampiroboroboana ny maha-olona

Navaozina manontolo ny tafon’ny EPP Mananjarasoa Andakana ary nolokoina ny rindrina. Mialoha izany dia efa nisy ny fampitaovana, toy ny dabilio, natolotry ny NEA ho fanampiana ity sekoly ambaratonga fototra ity. Ankizy 182 isa no misitraka izany sekoly izany, raha ho an’ity taom-pianarana 2024-2025 ity. Nandritra ny fitokanana izany fanavaozana ny sekoly izany, izay notontosaina androany 8 ôktôbra 2024, dia nanolotra « kits scolaires », ho an’ny ankizy 172 isa ihany koa ny Fondation Axian. Nanipika ny maha-zava-dehibe ny fiaraha-miasan’ny Fanjakana sy ny sehatra tsy miankina, toy izao, ny goverinoran’ny Faritra Vakinankaratra, Vy Vato Rakotovao. Tafiditra ao anatin’ireo andry iankinan’ny fampandrosoana nofaritan’ny filoham-pirenena ny fanohanana ny sehatry ny fanabeazana, hoy izy, dia ny fijerena ny maha-olona. Mifanandrify amin’ny teny filamatry ny Faritra Vakinankaratra ihany koa izany, hoy hatrany ny goverinora, izay manao hoe : « Tsary misy harena noho ny olona ». Ny tale misahana ny raharaha ho an’ny daholobe (Directeur des affaires publiques) eo anivon’ny vondrona Axian kosa dia nanamarika fa teny filamatr’ity vondron’orinasa ity ny hoe : « Andao hiara-hitombo » (let’s grow together). Ny fampiroborobona ny fanabeazana ny ankizy no isan’ny fomba tsara indrindra entina mampitombo ny maha-olona.

Ahitana efitra miisa 5 ny EPP Mananjarasoa Andakana ankehitriny. Tsy ampy ho an’ireo ankizy manodidina ny 200 isan-taona, izay raisin’ny sekoly anefa izany. Amin’izao fotoana izao aza dia mikambana lakilasy ny ankizy ao amin’ny taona faha-3 sy ireo ao amin’ny kilasy garabola (préscolaire), araka ny fanazavan’ny talen-tsekoly. Iriany sy irian’ireo ray aman-drenin’ny mpianatra, noho izany, ny mba hisian’ny efitranon-tsekoly ho fanampin’ireo efa misy.



Lire la suite

Articles Similaires