• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Vaovao

Fahasalamana : Miakatra ny tahan'ny olona manatona mpitsabo noho ny fahalotoan'ny rivotra

09/10/2024 12:07 © Moov

Mitombo ny isan’ireo olona manatona mpitsabo amin’izao fotoana izao noho ny olana avy amin’ny fahalotoan’ny rivotra. Tsikaritry ny mpitsabo izany tao anatin’ny iray volana teo ho eo. Ireo aretin’ny taovam-pisefoana no tena hanatonan’ny mponin’Antananarivo ny mpitsabo amin’izao fotoana.

Aretin’ny taovam-pisefoana

Kohaka, sery, gripa mahery, ary ny fivalanana, toy izany no nambaran’ny mpitsabo fa aretina betsaka mpitondra eny amin’ireny toeram-pitsaboana ireny. Mety hiantraika amin’ny taovam-pisefoana ireo aretina ireo ka hahatonga ny fahaseporana. Raha ny fanamarihan’ny mpitsabo rahateo dia ny rivotra iainana izay ahitana fahalotoana betsaka no mahatonga izany. Nandritra ny taona maro mantsy izay dia miakatra hatrany ny fahalotoan’ny rivotra eto andrenivohitra. Tsikaritra eo anelanelan’ny volana jolay hatramin’ny oktobra eo izany. Ny fahamaroan’ny fiara mifamezivezy, ny fandorana biriky ary ny doro tanety no tena voalaza fa mahatonga izany fahalotoan’ny rivotra izany. Araka izany, mila mitandrina hatrany ireo olona marefo, indrindra ireo manana olana amin’ny taovam-pisefoana. Ao anatin’izany dia hanentanan’ny mpitsabo hatrany ny fisotroana rano matetika sy ny fihinanana ny fanafody izay voatondron’ny mpitsabo irery ihany. Fadiana kosa ny fanaovana dokotera tena mba tsy ho tonga any amin’ny tranga fahasoratana ny aretina.

Olona marefo

Anisan’ny mitondra takaitra betsaka amin’izany fahalotoan’ny rivotra izany ireo olona marefo. Tafiditra ao anatin’izany ny zaza mena vava, ny ankizy kely, ny vehivavy bevohoka, ireo tsy manana trano hatoriana, ary ireo olona taizan’aretina ka tsy maintsy mihinana fanafody mandavan-taona, hoy ny mpitsabo. Marihina mantsy fa avo roa hatramin’ny telo heny amin’ny fenitra navoakan’ny OMS ny fahalotoan’ny rivotra eto Antananarivo amin’izao fotoana izao. Araka izany, mbola manahirana izany ho an’ireo olona marefo. Izany indrindra no hampitandreman’ny mpitsabo ireny olona ireny. Ao anatin’ny azo atao ny tsy mivoaka maharitra eny an-tokotany na mitondra aro vava. Eo ihany koa ny fanakatonana ny trano amin’ny ampahany mba hampihena ny fidiran’ny loto. Etsy andaniny dia manentana ny olona rehetra tsy hanavahana izy ireo amin’ny fisotroana rano betsaka araka izay fatra tratra.

Lire la suite

Articles Similaires