• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Santeplusmag
Image
DYI

Torohevitra hameranana ny lokon’ny lamba ho fotsy

04/10/2024 15:55 © Moov.Mg

Maro ankehitriny ireo tokantrano tsy misy rano ka voatery mampanasa lamba eny amin’ireny rano mandeha ireny. Matetika ny lamba fotsy rehefa sasana amin’ireny rano ireny na rehefa ela nampiasaina dia lasa toy ny vasoka sy tsy fotsy tsara intsony. Ireto ary misy torohevitra vitsivitsy manampy mba hameranana ny lokon’ny lamba ho fotsy.

Rano mangotraka sy voasary makirana mamerina ny lamba ho fotsy

Mba hamerenana ny lokon’ny akanjo na ny lamba ho fotsy toy ny tamin’ny voalohany dia mampiasa rano mangotraka nasiana ranona voasary makirana. Izany hoe atao anaty koveta ny rano mangotraka tsara iny ary araraka ao ny ranona voasary makirana 1. Alona ao ny lamba fotsy mandritra ny ora 1 mba hiasa tsara ilay fangaro. Rehefa vita dia kobanina amin’ny rano mangatsiaka. Tsara raha lamba efa avy nosasana sy madio no anaovana izany.

Rano mangotra sy vovon-tsavony

Manampy amin’ny famerenana ny lokon’ny lamba ho fotsy ihany koa ny rano mangotraka nasiana vovon-tsavony. Atao anaty koveta ny rano mangotraka ary arotsaka ao ny vovon-tsavony iray fonosana. Avela hipetraka ao mandritra ny adiny 1 ora avy eo kosehana ilay lamba. Rehefa vita izay dia kobanina tsara amin’ny rano mangatsiaka. Mety amin’ny lamba avy nanaovana ity torohevitra ity satria toy ny manasa lamba ihany.

Karibonetra

Akora efa fampiasa amin’ny fanesorana ny tasy miraikitra amin’ny lamba ny karibonetra. Mbola mandaitra ihany koa izy ity hameranana ny lokon’ny lamba ho fotsy. Rarahana karibonetra tsara ny lamba fotsy ary alona anaty koveta misy rano mandritra ny ora 1 farafahakeliny. Avy eo kosehana tsara. Kobanina amin’ny rano madio ary avela hitapy andro. Ny lamba na akanjo madio no atao izany satria tsy voatery manala loto amin’ny lamba ity torohevitra ity.

Lire la suite

Articles Similaires