• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Fil D'Infos-Ofisialy
Image
Vaovao

Tontolo iainana : Mandravarava ny doro tanety eny amin’ny lalam-pirenena fahaefatra

02/10/2024 15:27 © Moov

Efa ho isan’andro no ahitana filazana tranga na doro tanety manodidina iny lalam-pirenena fahaefatra mampitohy an’Antananarivo amin’ny Mahajanga iny. Efa amina hektara maro no may amin’izao fotoana izao, mety efa mahatratra aman’arivony hektara izany. Tsy dia fantatra mazava ny tena hipoiran’ireny afo ireny ary matetika dia miseho tampotampoka ihany koa.

Loza ho an’ireo mpampiasa lalana

Matetika loatra ary miverimberina tato ho ato io doro tanety eny amin’ny lalam-pirenena io. Araka ny fantatra rahateo dia toerana maina sy mafana matetika iny RN4 iny ka mampirongatra vetivety ny afo. Manampy trotraka izany ny fisian’ireo zava-maniry azo lazaina ho maina ihany koa. Etsy andaniny anefa dia isan’ny lalana betsaka mpivezivezy iny lalana iny ka mety hiteraka olana amin’ireo mpampiasa lalana izany. Ankoatra ny mety ho fiakaran’ny hafanana be loatra dia mety hiteraka fahamaizan’ny fiara ihany koa ny fihitaran’ny afo. Mety hiantraika amin’ny ain’ireo mpandeha ihany koa izany rehetra izany. Iny faritra anelanelan'i Maevatanàna, Tampoketsa, Tsaramandroso ary Berivotra iny no tena ahitana izany matetika.

Fifanentanana

Mandray ny andraikiny amin’ny ady amin’izany ihany koa ireo rafi-panjakana tsirairay. Niara-nidina tao amin’ny Fokontany Anosikary sy Bemadio ao amin’ny Distrikan’Ambato Boeny ny avy ao amin’ny Ministera nanamafy ny fanentanana ny mponina amin’ny ady amin’ny doro tanety sy ny doro ala. Narahana fampahafantarana ihany koa ny lalàna mifehy ny doro tanety. Andraikitra hiombonana izany ady izany ka manana adidy amin’izany ny tsirairay. Namafisina ny fitandremana tokony hatao. Marihina mantsy fa amin’ny ankapobeny dia ny « tavy » sy ny fomba fambolena nentim-paharazana isan-karazany mampiasa afo no heverina miteraka ity doro tanety ity. Fotoan’izany rahateo amin’izao main-tany izao. Araka izany, nentanina ny tantsaha ny amin’ny fampiasana fomba fambolena vaovao mba hahafahana miaro ny tontolo iainana. Ankoatra izay anefa dia ny tsirairay no tokony hifanentana amin’izany ady izany fa tsy voatery ireo tantsaha ireo irery.

Lire la suite

Articles Similaires