• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Santeplusmag
Image
DYI

Ovy : akora natoraly manampy amin’ny fikarakarana ny hodi-tava

25/09/2024 15:02 © Moov.Mg

Isan’ireo akora natoraly efa be mpampiasa amin’ny fikarakarana ny hoditra ny ovy. Maro karazana ny fomba azo ampiasana azy hisitrahana ireo vokatsoa azo avy aminy. Andeha ary ho resahana eto ny mahatsara ny ovy eo amin’ny fikarakarana ny hoditra sy ny santionany amin’ny fampiasana azy.

Manankarena otrikaina ilain’ny hoditra ny ovy

Tafiditra anatin’ireo akora natoraly efa nampiasaina aman’arivon-taona ho an’ny fikarakarana hoditra ny ovy. Isan’ny mahatsara azy ny fitahirizany otrikaina maro mahatsara ny hoditra, ka anisan’izany ny :
-Antioxydants izay miasa amin’ny fikolokoloana ny fahatanoran’ny hoditra ;
-Vitamina C izay manazava ny lokon’ny hoditra, indrindra ny hodi-tava ;
-Amidon izay singa iray manome rano sy fanamandinana ny hoditra amin’ny alalan’ny fitrohana ny sébum manentsina ny mason-koditra ;
-Mineraly toy ny cuivre, potassium, soufre… izay manadio ny hoditra ary manala ireo toxines miraikitra amin’ny hoditra.

Ireo fomba fampiasana ny ovy hikarakarana ny hoditra

Araka ny efa voalaza teo dia misy karazany maro ny fomba fampiasana ny ovy ho fikarakarana ny hoditra. Anisan’izany ny :

Fanazavana ny lokon’ny hodi-tava amin’ny alalan’ny ovy

Sasana tsara ny ovy singany 1 ary voasana. Avy eo kikisana madinika ary atao anaty bol. Ampiana ranona voasary makirana 10 ml ary afangaro tsara. Rehefa alohan’ny hatory amin’ny alina dia sasana tsara ny tarehy. Avy eo hosorana io fangaro io amin’ny alalan’ny coton. Somary kosehana moramora ary atao mihosotra tsara. Avela hijanona eo mandritra ny 15 minitra avy eo kobanina amin’ny rano matimaty. Atao indray mandeha isan-kerinandro.

Mampitony ny mony amin’ny alalan’ny ovy

Ny ovy dia mitahiry singa manala ireo loto manentsina ny mason-koditra. Arak’izany dia mandaitra amin’ny fampitoniana ny mony amin’ny tarehy izy io. Sasana tsara ny ovy ary voasana. Fisahana boribory tokony eo ho eo amin’ny 3 sm eo ny hateviny. Rehefa alohan’ny hatory dia diovina tsara ny tarehy. Tsara raha mampiasa démaquillant mba ho afaka tsara avokoa ny loto, ny hatsembohana, ny manjamaso… nandritra ny tontolo andro. Kosehana atao boribory amin’ny silak’ovy ny tarehy. Avela hilona mandritra ny alina tontolo ary kobanina amin’ny rano matimaty rehefa maraina.

Lire la suite

Articles Similaires