• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Archzine
Image
DYI

Fomba atao hanadiovana lamba tratry ny menaka matavy

24/09/2024 15:51 © Moov.Mg

Ny menaka matavy (gras), toy ny dibera, ny menaka sakafo na ny sauces, matetika dia sarotra esorina rehefa mipetaka eo amin’ny lamba. Araho eto ary ireo fikafika sy torohevitra mandaitra amin’ny fanesorana ny tasin’ny menaka matavy miraikitra eo amin’ny lamba sy ny akanjo.

Mampiasa lafarina na talc

Mandaitra amin’ny fanesorana ny menaka matavy vao niraraka eo amin’ny lamba ny fampiasana lafarina na talc. Tsotra ny fampiasana azy ireo. fafana amin’ny lamba madio ny menaka mipetraka eo ambonin’ny lamba. Rehefa afaka dia rarahana lafarina na talc atao sosona somary matevina eo amboniny faritra misy menaka. Petapetahana mora amin’ny lamba mba hiditra anatin’ilay tasy ny lafarina na ny talc. Avela hipetraka minitra vitsy. Raha mbola hita ilay tasy dia averina indray mandeha io torohevitra io. Rehefa vita izay dia sasana amin’ny rano mafana sy savony ilay lamba.

Mampiasa karibonetra

Isan’ireo akora natoraly mandaitra amin’ny fanadiovana fitaovana isan-karazany ao an-trano ny karibonetra. Mbola azo ampiasaina ihany koa izy ity amin’ny fanadiovana lamba vao tratry ny menaka matavy. Arotsaka anaty rano mafana iray bol ny karibonetra 1 sotro fihinanana feno tsara. Aroharoana hifangaro tsara. Atsoboka ao ny lamba dia petapetahana amin’izany ny lamba eo amin’ny faritra misy tasin’ny menaka. Rehefa vita izay dia kobanina tsara.

Mampiasa fera fipasohana

Raha toa ka efa ela ilay tasin’ny menaka eo amin’ny lamba dia ny fera fipasohana no vahaolana afaka manala izany. Maka taratasy mitroka hamandoana na hoe « papier absorbant » singany 2. Ny taratasy 1 apetaka eo ambonin’ilay faritra misy tasy ary ny taratasa faharoa atao ao ambadiny. Atao mafana tsara ny fera ary tsindrina amin’izany eo ambonin’ilay taratasy voalohany. Ilay hafanana dia hampitsonika ilay menaka matavy ka hampifindra izany eo amin’ireo taratasy. Tandremana tsara kosa mba lamba mahazaka mamay tsara no hampiarana ity torohevitra ity.

Lire la suite

Articles Similaires