• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Rtbf
Image
DYI

Fikolokoloana ny hodi-tava : ireo vokatsoa avy amin’ny voatabia

13/09/2024 16:19 © Moov.Mg

Maro ankehitriny ireo mirona amin’ny fampiasana akora natoraly amin’ny fikarakarana ny hodi-tava. Marina fa mandaitra ireo vokatra avy any ivelany fikolokoloana ny hoditra nefa kosa mety hisy vokadratsy ny fisian’ny akora simika anatin’izy ireny. Ho an’ireo mikaroka akora natoraly hikarakarana ny hodi-tava ary dia ho resahana eto ny vokatsoa azo avy amin’ny voatabia.

Miaro ny hodi-tava tsy ho mora antitra sy mikentrona ny voatabia

Ny voatabia dia isan’ireo voankazo manankarena « antioxydants ». Ny « antioxydants » dia miasa amin’ny fiarovana ny hoditra tsy ho mora miroraka sy antitra aloha be. Ireo singa anatin’ny voatabia ihany koa dia miaro ny hodi-tava amin’ny vokadratsin’ny « rayons UV » avy amin’ny taratry ny masoandro. Mba hisitrahana izany fiarovana ny hodi-tava tsy ho mora mikentrona izany dia mila manao « masque hydratant anti-âge » vita amin’ny voatabia.
Tsotra ny fanaovana azy : alaina ny nofon’ny voatabia (tsy misy hodiny sy vaony) 1 vera ary miaraka potserina anaty mixeur miaraka amin’ny menaka zavamaniry 1 sotro fihinanana sy ranona voasary makirana 1 sotrokely. Io fangaro io no ahosotra amin’ny tarehy sy ny tenda. Avela hilona 15 minitra dia kobanina. Rehefa vita dia mampiasa « soin hydratant » natoraly. Atao indray mandeha isan-kerinandro.

Manamandina ny tarehy

Raha hita fa maina ny tarehy dia tsy ampy rano izy izay. Ny voatabia dia mitahiry rano hatramin’ny 95%. Ankoatra izay dia ahitana vitamina A sy C izay mahasalama ny hoditra ao aminy. Mba hanamandinana ny hodi-tava dia mila manamboatra « masque hydratant et repulpant » amin’ny alalan’ny votabia. Lasa mandimandina sy salama ny hodi-tava rehefa mahavatra mampiasa izany.
Voasana ny voatabia ary esorina ny vaony. Afangaro amin’ny tantely 1 sotro fihinanana ny nofona voatabia 1 vera ary miaraka potserina anaty mixeur. Sasana tsara ny tarehy ary hosorana io « masque » vita amin’ny voatabia sy tantely io. Avela hiasa mandritra ny 10 minitra dia kobanina. Tsara raha atao indray na indroa isan-kerinandro mba ahazoana vokatra.

Manadio ny tarehy amin’ny alalan’ny voatabia

Afaka miasa amin’ny fanadiovana ny tarehy ihany koa ny voatabia. Izany hoe manampy amin’ny fanesorana ireo tasitasy sy mony amin’ny tarehy ary manidy ny masonkoditra izy io. Ny « acidité » ao amin’ny dia manadio lalina ny hoditra nefa tsy manimba izany.
Afangaro ny nofona voatabia 1 vera sy ny zavoka antsany. Potserina miraka anaty mixeur mandrapahazoana fangaro malama toy ny « crème ». Diovina tsara ny tarehy ary avela ho maina. Avy eo hosorana io vokatra natoraly io. Avela hilona mandritra ny 15 minitra vao kobanina. Atao indray mandeha isan-kerinandro.
Fanamarihana
Alohan’ny hampiasana ny voatabia amin’ny fikolokoloana ny hodi-tava dia fantarina hoe mahazaka io akora io ny hoditra. Tsotra ny zavatra atao : asiana voatabia kely aloha eo ambadiky ny felatanana ary avela hijanona eo mandritra ny 30 minitra. Raha tsy misy zavatra mitranga toy ny hoe mangidihidy, mivaramena, misy mibontsibontsina… dia afaka mampiasa voatabia izany.

Lire la suite

Articles Similaires