• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Maison Sociale Des Arts Ambatovinaky
Image
Vaovao

Zava-kanto : Hitsiahy ny tantaran’ny hetsika « Hosotra » ny Fondation H

06/09/2024 14:49 © Moov.Mg

Niverina indray, tamin’ity taona ity, ny Festival Hosotra, rehefa niato nandritra ny 14 taona. Isan’ny hanamarika ny hetsika ny famelabelaran-kevitra hotontosaina rahampitso eny amin’ny Fondation H Analakely.

Hetsika ara-kolotoraly lehibe

Tamin’ny taona 1997 no nisy voalohany ny Festival Hosotra, hetsika miompana amin’ny fampirantiana sary hosodoko. Azo lazaina ho hetsika isan’ny lehibe indrindra taty amin’ny faritry ny ranomasimbe Indianina ny Hosotra, tamin’izany fotoana izany, izay natao indrindra hanomezan-danja ny hairaha arak'endrika amam-bika (art plastique). Teny amin’ny « Esplanade » Analakely no nifamotoana ny rehetra, tamin’izany, na hividy, na hankafy fotsiny, ny sangan’asan’ireo matianina amin’ny fanaovana sary hosodoko. Naharitra iray volana mihitsy ny hetsika ary nahasarika mpitsidika maro, na tera-tany malagasy, na tera-tany vahiny. Sady nampiroborobo ny zava-kanto malagasy ny hetsika Hosotra, no nisarika ireo mpizahatany ihany koa, izany hoe : tena nanana ny toerany teo amin’ny hetsika ara-kolotoraly teto Madagasikara mihitsy.

Fampiroboroboana ny kanto

Hiverina hitsiahy izany hetsika « Hosotra » izany ny Fondation H rahampitso 7 septambra 2024, ao anatin’ilay hetsika fanaon’izy ireo rehefa sabotsy, nomena ny anarana hoe : « Les samedis de la Fondation H ». Famelabelaran-kevitra momba ny tantaran’ny « Festival Hosotra » no hotontosaina amin’izany, hiresahana ny fampiroboroboana ny haikanto an’efijery (art visuel), ary koa ny fomba hitahirizana ireo lovan-kanto (patrimoine culturel). Handray anjara amin’izany i José Nirina, izay artista mpanao sary hosodoko ary isan’ny namorona ny hetsika « Hosotra ». Eo ihany koa i Dina Rabearivelo, mpikanto arak’endrika amam-bika (artiste plasticien) ary i Christian Andriambelo, mpamerina zava-kanto amin’ny laoniny (restaurateur d’œuvre d’art). Hiarahan’ny Fondation H mikarakara amin’ny La Colline-Maison Sociale des Arts Ambatovinaky ity hetsika ity, hanomboka amin’ny 10 ora maraina.

Raha tsiahivina dia andiany faha-11 ny « Festival Hosotra » amin’ity taona ity. Nanomboka ny 16 aogositra ny fampirantiana, eo anoloan’ny Tranompokonolona Analakely, ary hifarana ny 14 septambra izao.

Lire la suite

Articles Similaires