• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Vaovao

Kanton’ny ankehitriny : Voadika amin’ny soratra « Matsaraba » ny tononkalon’i Randja Zanamihoatra

24/04/2026 16:21 © Moov.Mg

Misokatra ho azon’ny besinimaro tsidihina manomboka androany 24 aprily 2026 ireo fampirantina miisa roa ao amin’ny Fondation H eny Ambatomena Analakely. Mampiseho ny ampahany amin’ireo angom-boka-kanto (collection) manokan’ity ivon-toerana ity ny iray amin’ireo fampirantiana ireo ; ny iray kosa dia maneho famoronana vaovao, toy ny « Matsaraba », Tarehin-tsoratra vao noforonina manokana.

« Kabarin-javakanto » no anaran’ilay fampisehoana ahitana ny ampahany amin’ireo angom-boka-kanto manokan’ny Fondatation H, izay eo ambany fitantanan’i Abdellah Karroum, ary « Les mains des poètes », izay nadika hoe « Ny Tanan’ireo Mpanao Tononkalo » kosa no lohatenin’ilay fampirantiana faharoa, an’ilay artista tera-tany maraokanina, M’barek Bouhchichi, ary eo ambany fitantanan’i Hobisoa Raininoro. Ao anatin’ity fampirantiana farany ity no anehoana ny « Matsaraba », izay endri-tsoratra vaovao, noforonina manokana ho an’ity fampisehoana ity.

Endri-tsoratra nalaina avy amin’ny sorabe

Araka ny fanazavana dia nivoaka avy amin’ireo resadresaka nifanaovan’i M'barek Bouhchichi sy ilay mpanao tefibika malagasy, Domi Sanji, momba ny soratra, ny fifandovana ara-javakanto sy ara-pahalalana, no nampitsiry ny hevitra hamorona tarehin-tsoratra vaovao. Nomena ny anarana hoe : « Matsaraba » izany. Ny sorabe, izay nampiasain’ny Malagasy fahiny no nisintonana ny aingam-panahy. Ahitana litera miisa 127 izany, ka mampiavaka azy ny fisian’ireo feo tsy fahita amin’ny abidỳ latinina, toy ny « dr » sy ny « tr », hoy ny fanazavan’i Hobisoa Raininoro.

Endrika roa lehibe no ahafahana mamantatra sy mankafy ny « Matsaraba », ao anatin’izao fampirantiana ao amin’ny Fondation H izao. Azo ankafizina amin’ny alalan’ireo Taratasy Antemoro mandravaka ny rindrinna izany, na koa amin’ny alalan’ny talantalana iray miendrika fitoeram-boky. Ireo Taratasy Antemoro dia ahitana soratra mirakitra ohabolana sy oha-pitenenana malagasy, toy ny hoe : « Ny hazo tokana tsy mba ala ». Nanamboatra fanaovam-printy vita tanana mihitsy ny mpanakanto, mba hahafahana nanoratra teo ambonin’izany Taratsy Antemoro izany. Miendrika biriky tanimanga, izay notefen’ny Atelier Fango, io fanaovam-pirinty io ary ny ranomainty kosa dia nosintonina avy amin’ny zava-maniry honkovavy, araka ny fahaiza-manaon’i Andrée Mathilde Ethève.


Copyright Image : © Moov

"Poeta !", tononkalon’i Randja Zanamihoatra

Fa tena mahavariana ihany koa ny mahita ilay talantalam-boky naorin’i M'barek Bouhchichi. Tsy boky mantsy no manemitra azy, fa fitoeran-dranomainty vita amin’ny tanimanga miisa 220, novolavolain'i Gloria Raharisoanirina. Ny fitoeran-dranomainty tsirairay dia ahitana litera « Matsaraba ». Ny fitambaran’ireo litera ireo indray dia manome ny ampahan'ny tononkalo mitondra ny lohateny hoe : "Poeta !" nosoratan'ilay mpanoratra Randja Zanamihoatra.

Poeta !

Raha mbola tsy àry akory ny vatanao malia
No efa niantso anao ny sary sy ny hira ;
Manakoako loatra ny fiainanao satria
Fihaonan'ny "mahery", akaiky sy andakira

Ianao Poeta irery no manana fanahy
Raha saina monja ihany no entin'ny rehetra
Fa ankoatr’izao misaina, mitia sy manahy
Dia mbola misy "ianao", fisiana tsy mifetra

Fanahin'ny Poeta, mihoatra ny ara-batana
Sy varavaran-telon'izao tontolo izao
Irery mahalala tafiditra mivantana
Anivon'ny "tsy fantatra" nefa manindao
(…)


Copyright Image : © Moov

Zava-kanton’ny ankehitriny

Notsiahivin’i Hobisoa Raininoro fa ny Antemoro no namorona ny sorabe izay fanoratana voalohany teto Madagasikara. Nahaliana an’i M'barek Bouhchichi manokana ity soratra malagasy ity, satria na nalaina tamin’ny fomba fanoratra arabo aza, dia nampifanarahana amin’ny teny malagasy, ka toy ny hoe : manana ny tsiambaratelontsika manokana isika malagasy.

Misokatra maimaim-poana ho an’ny daholobe, hatramin’ny 17 ôktôbra 2026, ireo fampisehoana roa ao amin’ny Fondation H, izay ahitana karazana zava-kanton’ny ankehitriny (art contemporain) maro karazana sy mifono hafatra lalina, ary indrindra avo lenta, tahaka ireo fahita amin’ny fampisehoana raitra any ivelany.



Lire la suite

Articles Similaires