• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Tandem Analamanga
Image
Vaovao

Fisitrahana zo ara-dalàna : Ankizin’ny lalana 759 nisitraka kopia nahaterahana

29/04/2026 16:32 © Moov

Ankizy miisa 759 avy amin’ny boriborintany voalohany sy fahefatra no nahazo kopia nahaterahana, androany, teny amin’ny Kianja mitafo Mahamasina. Tafiditra ao anatin’ny hetsika notanterahina tamin’ny fankalazana ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny ankizin’ny lalana, karakarain’ny Plateforme de la Société Civile pour l'Enfance (PFSCE), izany.

Fampiharana ny zon’ny ankizy sy fiarovana azy ireo

Ity hetsika ity dia fotoana iray ahafahan’ireo ankizy misitraka ny zony ara-dalàna sy mahazo fiarovana bebe kokoa. Araka ny fanazavan’ny PFSCE dia mbola sakana lehibe ho an’ny ankizy maro ny tsy fananana kopia nahaterahana. Mbola goavana kokoa ny sakana ho an’ireo ankizin’ny lalana. Io taratasy tokana io mantsy no fototra ahafahana misitraka ny zo rehetra, toy ny fanabeazana, fahasalamana ary fiarovana amin’ny fanararaotana.
“Ny kopia nahaterahana dia tsy taratasy fotsiny fa lakilen’ny ho avin’ny ankizy,” hoy ny filohan’ny PFSCE, Raharinarivonirina Maria. Nambarany fa manampy amin’ny fisorohana ny fampanambadiana aloha loatra, ny fanararaotana ara-nofo ary ny fampiasana zaza tsy ampy taona izany.
Nohamafisiny ihany koa fa vokatry ny fiaraha-miasa amin’ireo mpiara-miombon’antoka no nahafahana nanatanteraka ity hetsika ity. Tanjona ny hanomezana sata ara-dalàna ho an’ny ankizy rehetra sy hiantohana ny fanajàna ny zon’izy ireo.

Hitohy ho an’ny ankizin’ny lalana rehetra

Araka ny fanadihadiana natao nanomboka tamin’ny taona 2025 dia ankizin’ny lalana miisa 1 083, teto Antananarivo no fantatra fa tsy nanana kopia nahaterahana. Amin’izy ireo dia 759 no efa nisitraka izany tamin’ity androany ity, araka ny fanazavan’ny PFSCE.
Nambaran’ny filoha fa mbola hisy ezaka mitohy hanatrarana ireo sisa tsy mbola voasahana, amin’ny alalan’ny fiaraha-miasa amin’ny rafitra samihafa sy ny fanakaikezana ny vondrom-piarahamonina.
Tsy hijanona amin’ity hetsika ity ny PFSCE, fa hanohy ny ady ho fanomezana zo feno ho an’ny ankizy rehetra. Tanjona ny hahatonga an’i Madagasikara ho toerana ahafahan’ny ankizy miaina am-pilaminana sy misitraka ny hoaviny ara-dalàna.

Lire la suite

Articles Similaires