• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Msk
Image
Vaovao

Fahamaizan’ny Rovan’Ambohidratrimo : Hamafisina ny fiarovana ireo vakoka manerana an’i Madagasikara

27/04/2026 15:25 © Moov.Mg

Handray fepetra ho fiarovana ireo vakoka manerana an’i Madagasikara, ka isan’izany ireo Rova eto Antananarivo, ny ministeran’ny Serasera sy ny Kolontsaina, araka ny nambaran’ny minisitra, Gascar Fenosoa, androany, taorian’ny firehetana nitranga teny amin’ny Rovan’Ambohidratrimo.

Firehetana mampiahiahy

Nisy firehetana nitranga teny amin’ny Rovan’Ambohidratrimo, ny alin’ny omaly 26 aprily 2026 tokony ho tamin’ny 11 ora alina, araka ny fitantaran’ireo mponina manodidina. Tsy matory eo an-toerana ny mpiambina, araka ny fantatra, ka tsy nahalala ny fisian’ny firehetana. Ny fokonolona manodidina sy ireo mpitandro ny filaminana no tonga nijery ny zava-misy, saingy tsy nisy azo natao afa-tsy ny nanapaka ny hazo teo amin’ny manodidina, mba tsy hampiitatra ny afo, araka ny fanazavan’ireo mponina. Tsy ny Rova manontolo no may fa ny Lapa, hoy ny fanazavana.

Raha ny tomban’ireo nanatri-maso dia niniana natao ity fandorana ity. Mbola eo am-panatanterahana ny fanadihadiana anefa ireo tomponandraikitra isan-tokony, hahafahana mamantatra ny tena zava-nitranga ka nahatonga ny afo.

Harenina faran’izay haingana

Manoloana izao fahapotehan’ny vakoka izao dia nilaza ny minisitra, Gascar Fenosoa, fa hatao faran’izay haingana ny fanarenana ny Rovan’Ambohidratrimo. Hojerena ny teti-bola manokana hahafahana manatanteraka izany, izay hiarahana miasa amin’ny fikambanana Marovatana sy ny taranaky ny « Masina », izay miafina (milevina) ao amin’io Rova io. Efa nisy rahateo ny fifampiresahana teo amin’ireto farany sy ny ministeran’ny Serasera sy ny Kolontsaina, araka ny fampitam-baovao.

Etsy an-daniny, handray karazana fepetra, ho fiarovana ireo vakoka manerana an’i Madagasikara, ny ministeran’ny Kolontsaina sy ny Serasera. Hamafisina ny fiarovana sy ny fiambenena ny vakoka rehetra eto amintsika, hoy ny minisitra Gascar Fenosoa. Hamafisina ihany koa ny fanentanana ny fokonolona, sy ny taranak’ireo Masina, mba samy handray andraikitra amin’ny fiarovana ireo vakoka ireo. Ankoatra izay dia hatao laharam-pahamehana ny fanabeazana sy fampahafantarana momba ny maha-zava-dehibe ny vakoka, araka ny toromariky ny filohan’ny Fanavaozana.

Lire la suite

Articles Similaires