• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Cookidoo
Image
DYI

Fomba fanamboarana mayonnaise vita amin’ny soja

26/08/2024 16:17 © Moov.Mg

Maro tokoa ny fomba hanamboarana mayonnaise ao an-trano. Tsy voatery mampiasa atody foana fa misy ireo akora hafa azo hanaovana azy ireny. Ny fanaovana mayonnaise vita amin’ny soja indray ary no andeha atoro eto.

Ireo zavatra ilaina raha hanao mayonnaise vita amin’ny soja

-Ronono soja efa masaka sy mangatsiaka 0,5l ;
-Menaka 0,5l ;
-Tongolo 1 ;
-Tongolo gasy singany 1 ;
-Persila sy kotomila ;
-Sira sy dipoavatra.

Ireo dingana amin’ny fikarakarana azy

Voasana ary tetehana ny tongolo. Voasana ihany koa ny tongolo gasy. Sasana ary avela hitsiaka ny persila sy ny kotomila.
Atao mifangaro tsara ny ronono soja sy ny menaka mitovy fatra. Rehefa izay dia atao anaty robot mixeur. Arotsoka ao manarak’izay ny tongolo, ny tongolo gasy, ny persila sy kotomila ary ny sira sy dipoavata.
Avela hiodina miaraka ao mandrapahazoana ny mayonnaise. Tokony eo ho eo amin’ny 3 minitra eo ny fanodinana azy fa raha mbola tsy marihitra tsara dia tohizana ahodina kely ihany.

Fanamarihana

Raha toa ka te hikarakara manokana ny ronono soja ho ampiasaina dia alona anaty rano mandritra ny alina ny soja vaoniny 1 kapoaka. Rehefa maraina dia esorina ny hodidiny avy eo totoina amin’ny mixeur na robot. Tapotapohana rano tsikelikely 1l avy eo tatavanina. Iny ranony iny no ampangotrahana sy ahazoana ilay ronono soja hanaovana mayonnaise eto.

Lire la suite

Articles Similaires