• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Nessma Cuisine
Image
DYI

Nahandro lasa be sira, ahoana no atao ?

23/08/2024 15:53 © Moov.Mg

Toe-javatra mety mitranga rehefa mikarakara sakafo iny ny hoe lasa be sira ny nahandro. Mba hanarenana izany ary dia ireto misy torohevitra vitsivitsy azo ampiharina mba hanesorana na hanakonana ny tsiro masira be amin’ilay nahandro.

Mampiasa ovy hanarenana ny nahandro lasa be sira

Isan’ireo torohevitra mandaitra ary efa betsaka mampihatra mba hanarenana ny nahandro lasa be sira ny fampiasana ovy. Ireo nahandro noketrehana sy ireo lasopy moa no tena tsara ampiasana azy ity. Tsotra ny atao : maka ovy 2 na 3, arakaraky ny habetsaky ny nahandro anaty vilany. Voasana ireo ovy ireo avy tetehana tsy atao madinika avy eo arotsaka anatin’ilay sakafo. Mitroka ny sira anatin’ity farany ny « amidon » amin’ny ovy. Esorina ireo ovy rehefa hita fa niala ilay tsiro masira be.

Mampiasa siramamy

Manampy amin’ny fanarenana ny sakafo lasa be sira ihany koa ny siramamy. Misy karazany maro ny fomba azo ampiasana azy io. Raha toa ka tsy manimba ny tsiron’ilay nahandro ny anisiana siramamy aminy dia tonga dia arotsaka ao avy hatrany ny siramamy 1 na 2 sotrokely dia afangaro tsara. Ho takon’ny tsiron’ny siramamy ilay tsiron-tsira mihoatra. Raha tsy afaka asiana siramamy ilay sakafo dia maka siramamy vaingany ary atao eo ambony sotro fihinanana. Atsoboka ao anatin’ilay nahandro io sotro misy siramamy io mba hitroka ny tsiron-tsira mihoatra aminy. Tsy endrasana ho levona ao fa esorina rehefa vonton’ny ranon’ilay sakafo.

Mampiasa « pain rassis »

Mandaitra amin’ny fanarenana sakafo lasa be sira ihany koa ny « pain rassis » na mofo efa nialin’andro. Tsotra be ny fampiasana azy. Tetehana io mofo io ary asiana silany maromaro ao anatin’ilay nahandro. Ho trohin’ilay mofo ny ranon’ilay sakafo sy ny sira mihoatra ao aminy. Rehefa vonton’ny ranon’ilay sakafo ireo mofo dia esorina. Afaka tapohana rano indray mandeha ary averina tenehana kely ilay nahandro raha lasa ritra loatra.

Lire la suite

Articles Similaires