• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Trulybeau-Buzz
Image
DYI

Fomba fanamboarana mousse à raser amin’ny akora natoraly

26/07/2024 14:49 © Moov.Mg

Vokatra iray manampy amin’ny fikolokoloana sy ny fiarovana ny hoditra rehefa miaratra ny mousse à raser. Efa maro moa ireo vokatra efa vonona ampiasaina hita eny amin’ny mpivarotra eny. Ho an’ireo tsy tia mampiasa vokatra misy akora simika dia atoro eto ary ny fanamboarana mousse à raser amin’ny alalan’ny akora natoraly.

Ireo zavatra ilaina raha hanamboatra mousse à raser ao an-trano

-Beurre de karité 70g ;
-Diloloilo coco tsy mitapoka 70g ;
-Menaka jojoba 55g ;
-Huile essentielle de romarin 10 mitete (tsy voatery asiana)

Ireo dingana amin’ny fanaovana azy

Atsonika anaty vilany ambony afo malefaka ny beurre de karité sy ny diloilo coco. Tandremana tsara mba diloilo coco tsy mitapoka ary tsy nampiasana hafanana tamin’ny fanamboarana azy no ampiasaina.
Rehefa mitsonika dia afindra anaty bol ary arotsaka ao ny menaka jojoba sy ny huile essentielle de romarin. Averina hatrany hoe tsy voatery mampiasa io huile essentielle io.
Aroharoana hifangaro tsara ireo akora rehetra ary avela hangatsiaka. Avy eo apetraka anaty vata fampangatsiahana mandritra ny ora 1.
Avoaka ny fangaro ary kapohana amin’ny batteuse mba lasa hibontsina sy malefaka toy ny mousse à raser efa vonona ampiasaina ireny. Afindra anaty fitoerana mihidy tsara rehefa vita.

Fanamarihana

Afaka mampiasa ity karazana mousse à raser tsy misy akora simika ity avokoa na ny vehivavy na ny lehilahy. Azo ampiasaina eo amin’ny faritry ny vatana haratana rehetra izy io fa tsy voatery amin’ny tarehy ihany. Afaka tehirizina mandritra ny volana maro. Ampirimina amin’ny toerana maina sy tsy azon’ny hafanana na ny masoandro.

Lire la suite

Articles Similaires