• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Dit (Asief 2023)
Image
Vaovao

Fantanjahantena : Efa milamina tanteraka ny fanomanana ny ASIEF

26/07/2024 16:19 © Moov

Herinandro sisa dia higadona ny fifaninanana nasionaly ara-panatanjahantena iraisan'ny mpiasam-panjakana (ASIEF). Hotanterahina any Antsirabe ny 5 hatramin’ny 18 aogositra izao izy io. Efa milamina avokoa ny fandaminana rehetra raha ny fanazavan’ireo mpikarakara any an-toerana.

Atleta maherin’ny 12 000 isa

Ambohimpihaonan’ny mpiasam-panjakana rehetra isan-taona ity fifaninanana lehibe ity. Atleta maherin’ny 12 000 isa eo no andrasana any Antsirabe amin’ity taona ity. Ireo minisitera, orinasam-panjakana sy ireo mpiasam-panjakana avy amin’ny rafitra rehetra manerana ny Nosy no handray anjara amin’izany. Raha ho an’ny tanànan’Antsirabe manokana, izay handray ny fifaninanana dia efa vonona izy ireo. « Efa milamina avokoa ny fikarakarana. Na eo amin’ny lafiny fandraisana ireo delegasiona izany na eo amin’ny lafiny ara-potodrafitrasa izay hanatanterahana ny lalao », hoy ny Filohan’ny ASIEF faritra Vakinankaratra. Marihina ihany koa fa tsy manano-sarotra ny fikarakarana satria ny ankamaroan’ireo minisitera sy ireo mpandray anjara rehetra dia manana birao any an-toerana avokoa. Etsy andaniny anefa dia efa vonona avokoa ireo kianja sy toerana hanatanterahana ny lalao rehetra. Anisan’ny hanampy akaiky ireo mpikarakara any an-toerana ny lehiben’ny faritra Vakinankaratra.

Hiadiana ny hosoka

Amin’ny fifaninanam-panjakana toy izao dia matetika miseho ny hosoka amin’ireo mpandray anjara. Toy izay niseho tany Toamasina tamin’ny taon-dasa. Nanavao ny fomba fisoratana anarana ny ASIEF mba hialana amin’izany, tamin’ity taona ity. Tamin’ny alalan’ny tranonkala no nahafahan’ireo mpandray anjara nisoratra anarana mba hahafahana manara-maso azy ireo. Marihina moa fa efa tapitra efa ela ny fisoratana anarana. Mandritra ny roa herinandro, hifanandriana amin’ny karazana fanatanjahantena rehetra ny mpiasam-panjakana ary efa samy manana ny delegasionany amin’izany ireo sampandraharaham-panjakana. Raha ho an’ny faritra Vakinankaratra izay handray ny fifaninanana dia efa samy mahafantatra izay fomba fiasa vaovao izay izy ireo.

Lire la suite

Articles Similaires