• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Truc Mania
Image
DYI

Torohevitra mahomby fanadiovana ny vilany viraty na alominiôma

25/07/2024 16:06 © Moov.Mg

Mba hitazomana ny endriky ny vilany viraty na alominiôma tsy hiova dia mila diovina tsara hatrany izy ireny. Raha tsy voadio tsara tokoa mantsy ireo karazana vilany ireo dia miraikitra tsy mety esorina ny menaka may sy ny arina eo aminy ka ahatonga azy ho lasa mainty sy ratsy endrika. Atoro eto ary ireo dingana amin’ny fanadiovana ny vilany viraty mba hadio tsara.

Avela ho mangatsiaka tsara ny vilany vao diovina

Matetika isika dia mihevitra fa mora kokoa ny manadio ny vilany raha izy mbola mamay iny no sasana. Fihevitra diso ihany nefa izany satria tsy misy vokany akory izany nefa mety handratra. Mitana hafanana ela kokoa mantsy ny vilany alimoniôma ka raha izy mamay iny no sasany dia mety handoro ny tanana izany.

Esorina tsara avokoa ireo ambina sakafo anatiny

Rehefa mangatsiaka tsara ny vilany dia esorina avokoa ireo ambina sakafo ao anatiny. Kaohona amin’ny sotro ihany koa ireo sakafo mety miraikitra amin’ny vodi-vilany mba ahamora ny fanasana azy. Raha sarotra miala moa izy ireo dia afaka rarahana rano mafana nasiana ranon-tsavony kely ao anatiny ary avela hilona kely ao. Rehefa mihamalemy ireo sakafo miraikitra ireo dia ho mora esorina.

Mampiasa akora natoraly hanadiovana ny vilany varaty

Rehefa afaka tsara ireo ambina sakafo anatin’ny vilany viraty dia afaka mampiasa akora natoraly hanesorana ireo loto sy tasy miraikitra aminy. Isan’ny akora mandaitra ny karibonetra nafangaro tamin’ny ranona voasary makirana. Io fangaro io no atao amin’ny éponge ka ahositra sy hikosehana ny vilany alominiôma. Avela hipetraka kely 10 minitra avy eo kobanina.
Akora iray afaka ampiasaina ihany koa ny vinaigitra fotsy. Afangaro amin’ny rano mafana mitovy fatra aminy izy ity avy eo ampiasaina hanasana sy hikosehana ny vilany. Faranana amin’ny fanasana azy amin’ny ranon-tsavony ireo dingana ireo. Rehefa voakobana ny vilany dia hangirana sy hadio tsara.

Fanamarihana

Ampiharina amin’ny fanadiovana ny anatiny sy ivelan’ny vilany viraty ireo torohevitra ireo. Mba hisorohana ny loto sy ny menaka miraikitra sy sarotra esorina amin’ny vilany dia mila diovina tsara arak’ireo atoro ireo ny vilany isaky ny avy mampiasa azy.

Lire la suite

Articles Similaires