• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Naître Et Grandir
Image
Reny&Zaza

Reny tera-bao : ilaina tokoa ve ny mifana ?

24/07/2024 14:25 © Moov.Mg

Fomba iray efa tsy zoviana amin’ny be sy ny maro ny hoe mifana ny reny tera-bao. Maro no manaja izany fa misy ihany koa ireo tsy afaka na minia tsy manatantareka izany. Fa ilaina tokoa ve ny mifana rehefa avy niteraka ? ‘Ndeha ho resahana eto ireo mila fantatra mikasika izany.

Inona no atao hoe mifana ?

Mila fanohanana sy fotoana hakana aina ny reny tera-bao. Nandany hery betsaka tokoa izy nandritra ny famohana ny zaza, na niteraka ara-boajanahary na nodidiana. Ankoatra izay dia nikorontana ny taova tao anaty kibo ka tsy mila maka aina ny vatany mba hiverenan’izany araka ny tokony ho izy. Mety mila herinandro maromaro ny reny tera-bao vao miverina tsara ny heriny sy ny vatany. Io fotoana fakana aina aorian’ny fiterahana io no atao hoe mifana.

Ireo hevi-diso mila ahintsy

Maro ireo hevi-diso re eny amin’ny fiarahamonina eny mikasika ny atao hoe mifana. Ny voalohany amin’izany dia ny hoe mila manao mafana be, tsy mikasika rano mangatsiaka, tsy mibango volo na koa hoe tsy mandro mihintsy ilay reny tera-bao mandritra io fotoana fifanana io. Mahazo mikasika rano mangatsiaka izy ary mahazo sy mila mandro mba hisorohana ny loto mety mitondra mikraoba ao amin’ny vatana. Afaka mibango volo sy manao akanjo mifanaraka amin’ny toetry ny andro.
Ankoatra izay dia tsy marina ny hoe mila mijanona eo am-pandriana sy tsy manao ninoninona ny vehivavy mifana. Afaka mikarakara ny zanany sy manao ny raharaha maivamaivana ao an-trano izy fa tsy manao reraka fotsiny. Arak’izany, tsy mety ny mibata zavatra mavesatra, manasa lamba be, mikosoka trano, matsaka… sy ireo karazana raharaha mila hery be.

Ireo andraikitry ny mpampifana

Araka ny voalaza teo ambony dia mila maka aina ny reny tera-bao mba hiverenan’ny ainy. Ankoatra izay dia tena mila fanohanana ihany koa izy mandritra ny herinandro vitsivitsy aorian’izany mba hisorohana ny atao hoe « baby blues » na ny rarintsaina mahazo ny reny tera-bao. Ireto avy ary ireo fanohanana tsara ataon’ny mpampifana :
-Mikarakara ny zazakely, ohatra hoe manome solon-dronono, mitaiza azy mba ahafahan’ny reny tera-bao maka aina sy matory amin’ny atoandro, indrindra raha tsy natory ny zaza ny alina ;
-Manampy amin’ireo raharaha mila hery, toy ny manasa ny lamban-jaza, mikarakara sakafo, mibata ny zavatra mavesatra mety ilain’ny reny tera-bao na ny zaza ;
-Mitaiza ny zokin’ny zazakely (raha mbola kely izy);
-Mikarakara ny reny, ohatra manampy azy rehefa mankany amin’ny trano fidiovana, mankahery azy amin’ny fikarakarana ny zaza, manoro am-pitiavana raha misy zavatra tsy hainy…



Lire la suite

Articles Similaires