Zaza mierotra rehefa matory : inona no antony ary rahoviana no tokony hanahy ?
Mety hahagaga na hampanahy ny ray aman-dreny ny mandre ny zanany kely mierotra rehefa matory. Tsy voatery midika fa misy olana ara-pahasalamana nefa izany. Mbola kely sy tery ny lalan-drivotra ao amin’ny oron’ny zaza ary mora feno tsiranoka, indrindra rehefa voan’ny sery. ‘Ndeha àry ho resahana eto ny antony mety mampierotra ny zaza rehefa matory ary rahoviana no tokony hanatona mpitsabo ?
Inona no mahatonga ny zaza mierotra rehefa matory ?
Mierotra ny olona iray rehefa sarotra kokoa ny fivezivezen’ny rivotra amin’ny lalam-pisefoana mandritra ny torimaso. Eo amin’ny zazakely dia maro ny antony mety mahatonga izany.
-Orina tsentsina : Anisan’ny antony mahazatra indrindra izany. Ny sery, ny lelo ao amin’ny orona na ny rivotra maina loatra dia mety hampihena ny fidiran’ny rivotra amin’ny orona. Satria moa ny zaza amin’ny orona no tena miaina dia na dia lelo kely fotsiny aza dia mety hampierotra azy mandritra ny torimasony. Matetika dia mandalo ihany izany amin’ity tranga ity ary afaka rehefa misokatra indray ny orona.
-Ny fitomboan’ny “végétations adénoïdes” : Ny « végétations adénoïdes » dia sela ao ambadiky ny orona izay mety ho lehibe kokoa amin’ny ankizy sasany. Raha mibahana be ny lalan-drivotra izy ireo dia mety hanasarotra ny fidiran’ny rivotra ary hahatonga ny zaza hierotra rehefa matory. Amin’ny ankizy efa lehibe izy io no matetika kokoa noho ny amin’ny zazakely.
-Ny kambin-tenda lehibe : Ny kambin-tenda lehibe ihany koa dia mety hampihena ny toerana hivezivezen’ny rivotra mandritra ny torimaso. Mety hahatonga ny zaza hierotra matetika izany, ary indraindray miaraka amin’ny fisefoana amin’ny vava.
-Ny fomba fatoriana : Mety hisy fiantraikany amin’ny feon’ny fisefoana ny fomba fatorian’ny zaza. Na izany aza, tsy tokony ovaina be loatra ny fomba fatoriany mba hampihena ny erotra. Ho fiarovana azy dia tokony hatory mitsilany sy eo ambony kidoro mafy hatrany ny zazakely.
-Mety hisy tsy fitoviana ara-batana amin’ny lalam-pisefoana : Amin’ny tranga vitsy kokoa dia mety ho vokatry ny endrika na firafitry ny lalam-pisefoana ny erotra. Raha mierotra mafy sy matetika ny zaza, dia mety hijery ny antony mahatonga izany ny dokotera, indrindra raha miaraka amin’ny fahasarotana amin’ny fisefoana na fijanonan’ny fofonaina mandritra ny fotoana fohy.
Tokony mampanahy ve raha mierotra ny zazakely ?
Tsy voatery. Indraindray mety mierotra ny zazakely nefa tsy misy aretina na olana lehibe. Raha mierotra malefaka mandritra ny alina vitsivitsy izy, indrindra rehefa voan’ny sery na tsentsina ny orona, dia matetika tsy mampanahy loatra raha oharina amin’ny erotra miseho isan-kalina, mafy ary maharitra.
Inona avy ireo famantarana tokony hampitandrina?
Misy soritr’aretina sasany miaraka amin’ny erotra izay tokony hampirisika ny ray aman-dreny hangataka torohevitra ara-pitsaboana. Tsara ny manatona dokotera raha:
-mierotra saika isan-kalina ny zaza;
-miaina amin’ny vava matetika rehefa matory;
-toa sahirana na miezaka mafy rehefa miaina;
-misy fotoana toa mijanona ny fofonainy, na avy eo miverina tampoka sy mafy ny fisefoany;
-mikorontana be na mifoha matetika mandritra ny alina;
-tsemboka be rehefa matory;
-toa reraka na mora sorena mandritra ny andro;
-sahirana amin’ny fihinanana na fisotroana;
-tsy mitombo lanja araka ny tokony ho izy.
Tsy midika avy hatrany ireo famantarana ireo fa manana aretina lehibe ny zaza. Saingy ilaina ny manatona mpitsabo mba hahitana ny antony.




