• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Emci Tv
Image
DYI

Fanadiovana ny tanana feno menaka fiara na moto

05/07/2024 09:43 © Moov.Mg

Isan’ny zavatra sarotra esorina tokoa ny menaka amin’ny tanana rehefa avy manamboatra fiara na moto. Mety maharitra andro maro mihintsy vao tena afaka tsara ny tasy mainty avelan’izy ireny raha sasana amin’ny savony sy rano fotsiny. Ireto ary misy torohevitra mahomby hanadiovana ny tanana feno menaka fiara na moto.

Mampiasa vinaigitra fotsy sy lafarina

Isan’ny fomba mandaitra hanadiovana ny tanana feno menaka fiara na moto ny fampiasana vinaigitra fotsy nafangaro amin’ny lafarina. Mahomby amin’ny fanesorana menaka sy « graisse » tokoa mantsy izy ireo. Tsotra ny fanaovana azy. Afangaro ny lafarina sy ny vinaigitra fotsy mba ahazoana paty. Io paty io no hikosehana ny tanana maintin’ny menaka fiara na moto mandrapadio azy. Rehefa vita izay dia sasana amin’ny rano mafana sy savony ny tanana.

Afangaro ny diloilo coco, voasary makirana sy hoditra voasary

Fomba iray faharoa azo hanesorana ny menaka fiara na moto miraikitra amin’ny tanana ny fangaro vita amin’ny diloilo coco, voasary makirana sy hoditra voasary nahamainina. Ny voasary makirana sy ny hoditra voasary nahamainina dia manala ny menaka noho izy ireo mitahiry singa iray atao hoe « limonène ». Ny diloilo kosa dia manala ireo loto maintimainty miraikitra eo amin’ny tanana. Raha ampiasa ity fangaro ity dia afangaro miaraka anaty lovia jobo ny diloilo coco tapaky ny kaopy, ny hoditra voasary indimin’ny sotro fihinanana ary ny « huile essentielle de citron » in-50 mitete. Sasana toy ny mahazatra ny tanana aorian’izay. Sady hadio ity farany no ho afaka ny fofon’ny menaka fiara na moto.

Atambatra ny diloilo coco, kafe sy siramamy

Azo atao ihany koa ny mampiasa diloilo coco afangaro amin’ny kafe sy siramamy hanadiovana ny tanana feno menaka fiara na moto. Akora tsy lafo vidy ary mora hita ao an-trano moa izy ireto. Ny kafe sy ny siramamy dia mandaitra tsara amin’ny fanesorana ny menaka mainty miraikitra amin’ny tanana noho izy ireo mamasipasika. Mikasika ny fikarakarana azy : afangaro anaty lovia jobo ny diloilo coco tapaky ny kaopy, ny siramamy sy kafe 3 sotro fihinanana avy. Atao mifangaro tsara ka io no hikosehana ny tanana hanadiovana azy. Aorian’izay dia sasana amin’ny rano sy savony ny tanana.

Lire la suite

Articles Similaires