• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Nature & Autonomie
Image
DYI

Fomba samihafa azo ampiasana ny hoditra voasary

04/07/2024 13:11 © Moov.Mg

Fotoana fahavokaran’ny voasary izao. Efa tsy zoviana amintsika intsony ireo vokatsoa ara-pahasalamana azo avy amin’ny fihinanana azy ireny. Rehefa lany ny voasary dia tsy ariana ny hodiny fa mbola maro ireo zavatra azo ampiasaina azy ireny ao an-trano. Araho ary !

Manala ny fofona maimbo boina amin’ny lamba

Anisan’ny toe-javatra manahirana sy mahamenatra tokoa ny lamba maimbo boina. Matetika tokoa mantsy fanaka fitoeran-damba dia mihibokiboka sy tsy dia azon’ny rivotra. Misy ihany koa moa ireo miankina amin’ny rindrina mandomando lava ka manjary mamorona bobongolo. Mandaitra amin’ny fanesorana io fofona ratsy amin’ny lamba io hoditra voasary.
Atao anaty bà kiraro madio sy tsy ampiasaina intsony ny hoditra voasary. Fatorana ny lohan’ilay bà kiraro mba hikatona tsara. Io bà kiraro nasiana hoditra voasary io no apetraka anatin’ny fitoeran-damba. Ilay faritra fotsy anatin’ny hoditra voasary iny no mitroka sy manala ny fofona ratsy izay manaratsy fofona ny lamba. Ankoatra izay moa dia manome fofona tsara ao anatin’ny fitoeran’akanjo ny hoditra voasary.

Manamora ny fampiretana afo

Mbola vitsy mahalala nefa dia tena mandaitra ny fampiretana afo amin’ny alalan’ny hoditra voasary. Azo ampiasaina ity akora natoraly ity na rehefa ampirehitra afo saribao, fatana kitay, afon-dasy na koa « cheminée ». Raha sendra tsy manana kitay menaka intsony dia mora ampiasaina noho ny taratasy ny hoditra voasary rehefa ampirehatra afo.
Avela ho maina mandritra ny alina tontolo ny hoditra voasary. Tsara raha atao eo amin’ny toerana akaiky hafanana toy ny amoron’ny fatapera mba ho maina tsara. Rehefa ampirehitra afo dia ireo hoditra akondro ireo no atao solon’ny kitay menaka. Mora mandray afo ary maharitra kokoa ny lelan’afo avoakany raha oharina amin’ny taratasy. Etsy andaniny mamoaka fofona tsara izy rehefa mirehitra.

Manamanitra ny ao an-trano

Ho an’ireo tia manome fofona tsara ao an-trano nefa tsy tia mampiasa ireny vokatra manamanitra misy akora simika ireny dia manome toky ny hoditra voasary. Tsy lafo vidy nefa dia mandaitra tokoa ity fikafika natoraly ity. Tsotra ny fanaovana azy.
Hamainina ao anaty lafaoro ny hoditra voasary. Tsy atao mafana loatra ny lafaoro fa atao amin’ny hafanana manodidina ny 120°C eo. Rehefa tratry ny hafanana ireo hoditra voasary dia mamoaka fofona tsara miparitaka ao an-dakozia ary mety ho tonga any amin’ny efitra hafa ao an-trano. Mety ihany koa ity torohevitra ity raha hoditra voasary makirana no ampiasaina.

Lire la suite

Articles Similaires