• Cours de change
  • 4815.99 AR
  • |
  • $4469.92 AR
Copyright Image : © Wd-40
Image
DYI

Fomba fanesorana « étiquette » mba tsy hamela soritra

02/07/2024 09:22 © Moov.Mg

Isan’ny zavatra manahirana antsika amin’ny andavanandro tokoa ny manala ireo soratra miraikitra na « étiquettes » amin’ny fitaovana vaovao novidiantsika ireny. Na rovitra na mamela soritra manaratsy endrika ilay fitaovana izy ireny. Araho eto ary ny fomba mahomby fanesorana « étiquette » mba tsy hamela soritra.

Raha hanala « étiquette » miraikitra amin’ny « bocal »

Mbola azo ampiasaina hitahirizana zavatra ao an-dakozia ao ireny « bocal » ireny rehefa lany ny tao anatiny. Manaratsy endrika azy nefa ny « étiquette » miraikitra aminy rehefa mandeha ny fotoana ka tsara raha esorina. Samy efa mahafantatra isika fa miraikitra be ireny taratasy aminy ireny ka raha halana amin’izao dia rovitra fotsiny fa tsy afaka tanteraka. Mba ahamora ny fanalana azy ary dia asiana rano mangotraka ao anaty koveta kely antonona ilay « bocal ». Avela hilona ao mandritra ny minitra vitsy ity farany. Lasa malemy ilay taratasy ka ho mora hesorina amin’ny hoho tanana na amin’ny « éponge » ny « étiquette ». Tsy hamela soritra na fangitra lakaoly intsony izany fa ho afaka tanteraka.

Fomba fanesorana « étiquette » amin’ny fitaovana vy

Isan’ny sarotra esorina tokoa ny « étiquette » mipetaka amin’ny fitaovana vy satria lakaoly tena mafy matetika no ampiasaina hampiraikitra azy ireny. Ny fomba mahomby indrindra hanalana azy ireny dia ny fampiasana ny rivotra mafana avy amin’ny « séchoir » na « brushing ». Tsofina amin’ilay rivotra mafana io eo amin’ilay « étiquette » manditra 30 segondra. Raha lehibe ilay « étiquette » dia atao tsikelikely. Somary ingaina amin’ny tanana ny sisin’ilay taratasy miraikitra io dia tokony manaraka ho azy ny ambiny. Raha misy fangitra lakaoly miraikitra dia fafana amin’ny lamba kely nasiana « acétone » avy eo kobanina amin’ny rano mangatsiaka dia afaka izany.

Torohevitra hanalana ny « étiquette » miraikitra amin’ny plastika

Misy amin’ireo fitaovana vita amin’ny plastika no tsy mahazaka hafanana ka mety ho simban’izany. Raha hanala « étiquette » miraikitra amin’izy ireny dia tsara menaka zavamaniry no ampiasaina. Osorana menaka zavamaniry izay tiana eo amin’ny « étiquette ». Avela hiasa izany mandritra ny 10 minitra eo ho eo. Esorina amin’ny tanana, manombola avy eny amin’ny zorony ilay taratasy avy eo. Raha mbola sarotra miala dia ampiana menaka ihany. Fafana amin’ny « éponge » nolemana rano mafana sy nasiana savony avy eo ny ambin’ny lakaoly sy ny menaka amin’ilay fitaovana.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo