• Cours de change
  • 4783.72 AR
  • |
  • $4459.88 AR
Copyright Image : © Youtube
Image
DYI

Fanamboarana « masque » fikarakarana volo vita amin’ny « courgette »

01/07/2024 16:14 © Moov.Mg

Mitombo hatrany ireo olona misafidy mampiasa vokatra natoraly ho fikolokoloana ny volo sy ny hoditra. Maro noho izany ireo karazana akora sy fangaro azo ampiasaina sy tsy mitahiry singa simika. Anio dia ny « masque » fikarakarana vola vita amin’ny « courgette » indray no andeha ho atoro eto.

Ireo zavatra ilaina amin’ny fanaovana ny « masque »

-« Courgette » 2 ;
-Menaka zavamaniry izay tiana, toy ny menaka oliva 2 sotrokely ;
-« Maïzena » 3 sotrokely.

Ireo dingana amin’ny fikarakarana azy

Sasana tsara ny « courgettes », voasana ary tetehana boribory (rondelles) sy fisaka ;
Andrahoina amin’ny entona na « à la vapeur ». Rehefa masaka tsara dia potserina anaty « mixeur ».
Maka rano 1 vera ary arotsaka ao ny « maïzena » 3 sotrokely.
Ataingina anaty vilany ambony afo malefaka ny « courgette » nopotserina sy ny rano misy « maïzena ».
Aroharoana tsara ny fangaro mandrapahazoana « crème » malefaka. Aorian’izay dia arotsaka ny menaka zava-maniry ary esorina rehefa afaka 2 minitra.

Ny vokatsoa azo avy aminy sy ny fampiasana azy

Maro ny vokatsoa azo avy amin’ny fampiasana ity « masque » vita amin’ny « courgette » ity. Manome « hydratation » sy manome sakafo ny volo maina be, simba sy tapatapaka izy. Ilaina tokoa izany amin’izao ririnina izao satria mora simba ny volo rehefa tratry ny hatsiaka sy ny loto eny an-dalana eny.
Tsotra ny fampiasana ny « masque » vita amin’ny « courgettes ». Osorana eo amin’ny volo manontolo alohan’ny hanasana loha ny « masque ». Avela hilona mandritra ny 30 minitra fara fahakeliny. Rehefa vita izay dia sasana amin’ny shampoing toy ny mahazatra ny volo.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo