• Cours de change
  • 4783.72 AR
  • |
  • $4459.88 AR
Copyright Image : © Polysleep
Image
DYI

Fomba atao hanalana ny fofona ratsy amin’ny kidoro

01/07/2024 09:10 © Moov.Mg

Isan’ny manampy amin’ny fanatsarana ny torimaso ny fatoriana ambony kidoro madio sy tsara fofona. Rehefa ampiasaina ela nefa ny kidoro dia mitroka ny hatsembohana sy ny vovoka ao amin’ny efitrano ka lasa mamoaka fofona ratsy. Ireto manaraka ireto ary ny fomba atao hiadiana amin’ny fofona ratsy amin’ny kidoro.

Mampiasa vinaigitra fotsy hiadiana amin’ny fofona ratsy amin’ny kidoro

Efa tsy zoviana amin’ny maro intsony ny asan’ny vinaigitra fotsy amin’ny fanadiovana sy ny fanesorana ny fofona ratsy amin’ireo fitaovana isan-karazany ao an-trano. Mbola mandaitra ihany koa izy io hiadiana amin’ny fofona ratsy amin’ny kidoro. Tsotra ny fomba fampiasana azy.
Afangaro anaty tavoahangy « pulvérisateur » ny vinaigitra fotsy sy ny rano mitovy fatra. Ahontsana tsara mba hifangaro. Esorina ny fonon’ny kidoro ary io fangaro io no atsifitra eo amin’ny lafiny iray sy ny lafiny ambadika. Tsara raha atao mitsangana ny kidoro rehefa manao ity torohevitra ity. Marihana moa fa ny kidoro vita amin’ny « éponge » na amin’ny « mousse » no andairan’izany.

Manala ny fofona ratsy amin’ny kidoro amin’ny alalan’ny karibonetra

Akora natoraly iray hafa fampiasa amin’ny fanadiovana fitaovana maro samihafa ao an-trano ihany koa ny karibonetra. Miasa amin’ny fanosorana ny fofona ratsy amin’izy ireny ihany koa moa izy. Mazava ho azy fa afaka ampiasaina hiadiana amin’ny fofofona ratsy amin’ny kidoro noho izany ny karibonetra.
Avelatra eo amin’ny tany madio sy maina tsara ny kidoro « éponge » efa nesorina ny fonony. Rarahana karibonetra manify eo amboniny manontolo. Avadika ny kidoro ary rarahana karibonetra ihany koa ny lafiny ilany. Avela rehefa vita izay dia atsangana atao maka toerana tsy misy hamandoana. Avela hilona mandritra ny alina tontolo avy eo trohana amin’ny « aspirateur » na kapohana amin’ny tahon-kifafa any antokontany mba hiala ny karibonetra.

Torohevitra hisorohana ny fofona ratsy amin’ny kidoro

Mila kolokoloana ny kidoro mba tsy ahatonga azy hamoaka fofona ratsy. Matetika moa dia ny hamandoana, ny hatsembohana, ny tasy, ny « acariens », ny vovoka, ny bakteria… no mampisy fofona ratsy ny kidoro. Mba hisorohana izany fofona ratsy izany dia :
-Diovina madio tsara hatrany ny efitrano fatoriana ;
-Vohaina foana ny varavarankely ao amin’ny efitrano fatoriana mandritra ny tontolo andro mba hiditra sy hivezivezy ao ny rivotra madio ;
-Atao eo amin’ny faritra hazon’andro ny fandriana ;
-Raha mandomando ny efitrano fatoriana dia avoaka amin’ny masoandro isan-kerinandro ny kidoro ;
-Soloina ary sasana isan-kerinandro fara fahakeliny ny fonom-pandriana sy ny fonon’ondana ;
-Fadiana ny mifoka sigara ao an-trano, indrindra ao amin’ny efitrano fatoriana.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo