• Cours de change
  • 4794.18 AR
  • |
  • $4461.87 AR
Copyright Image : © Youtube
Image
DYI

Fomba fanamboarana lasary voasary makirana azo tehirizina

27/06/2024 13:15 © Moov.Mg

Lasary iray isan’ny be mpankafy tokoa ny lasary voasary makirana. Maro ireo mihinana azy ireny miaraka amin’ny vary na miaraka amin’ny kiendiendy isan-karazany. Miavaka amin’ny samy lasary moa izy ireny noho izy azo tehirizina mandritra ny andro maro. Araho eto ary ny fomba tsotra fanaovana azy ao an-trano.

Ireo zavatra ilaina raha hanao lasary voasary makirana

-Voasary makirana 8 ;
-Tongolo 4 ;
-Tamotamo vovony 1 sotro fihinanana ;
-Tongolo gasy hasiny 8 ;
-Sira ;
-Sakay araka izay itiavana azy.

Ireo dingana amin’ny fikarakarana azy

Sasana tsara ary fafana ny voasary makirana. Kikisana ny hodiny mba hiala ilay tsiro mangidy. Silahana roa ary potserina hiala ny ranony.
Silasilahana fisaka, tsy atao manify loatra, ny voasary makirana efa nesorina ny ranony avy eo atao anaty « bol ».
Tetehina fisaka atao mitovy amin’ny hatevin’ny voasary makirana ny tongolo ary arotsaka anatin’ny « bol » nasiana ireo voasary makirana.
Avy eo rarahana sira 2 sotro fihinanana ary atao mifangaro tsara. Saromana « film alimentaire » ary apetraka amin’ny toerana mangatsiaka mandritra ny 30 minitra.
Rehefa avy nilona 30 minitra ny voasary makirana nokarakaraina teo dia arotsaka ao ny tamotamo vovony, ny ranona voasary makirana ary ny tongolo gasy sy sakay nototoina.
Aroharoana tsara ary afindra anaty « bocal ». Mba ahafahana mitahiry azy ela kokoa dia rarahana sira eo amboniny vao saromana tsara.
Hatapy amin’ny masoandro isan’andro mandritra ny 2 hatramin’ny 3 herinandro dia vita !

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo