• Cours de change
  • 4773.83 AR
  • |
  • $4464.45 AR
Copyright Image : © Gn Ambohidratrimo
Image
Vaovao

Halatra taolam-paty : Taolan-dava 64 isa nariana tany Iarinarivo Ambohidratrimo

20/06/2024 13:54 © Moov.Mg

Olona roa lahy no nifanenjehan’ny zandary, omaly 19 jona tokony ho tamin’ny 11 alina, tany amin'ny fokontany Ambatomitsangana, kaominina Iarinarivo, Distrikan’Ambohidratrimo. Nitondra taolam-paty izy ireo, izay nariany rehefa nifanehatra tamin’ny mpitandro ny filaminana.

Fanabadoana

Tao anatin’ny fisafoana mahazatra fanaon’ny Zandary no nifanenan’ireto mpitandro ny filaminana ireto tamin’ireo olona roa lahy nampiahiahy. Vao nahita ny zandary ireto farany dia sady nirifatra nitsoaka, no sady nanipy sakaosy roa tany anaty kirihitra. Nizara ny Zandary, ka nisy ny nanenjika azy ireo ary nisy kosa ireo nijery izay tao anatin'reo sakaosy. Hita tamin’izany fa taolan-dava 64 isa no tao anatin’ireo entana. Tafaporitsaka moa ireo olona nitondra ireto taolana ireto, araka ny nambaran’ny Zandary. Nampahatsiahy ireto farany fa matoa misy manary toy izao ireny taolana nangalarina ireny, dia satria tsy misy mividy, no sady tsy mivadika ho vola ary tsy mivadika ho volamena ihany koa. Nanentana ny rehetra mba tsy hanaiky habadoan'ny olona ratsy fanahy, araka izany ny Zandary.

Tsy misy atidoha tratra

Raha ny zava-misy hatreto tokoa mantsy, dia tsy mbola nisy mihitsy ny fahatratrarana taolam-paty naondrana teny amin’ny seranam-piaramanidina na teny amin’ny seranan-tsambo, na aiza na aiza manerana an’i Madagasikara. Ireo mpangalatra taolam-paty foana ihany koa no tratra, fa mbola tsy nisy mihitsy ny olona voatondro ho atidoha, mpandray, na mpividy azy ireny. Araka izany, tsy misy ny porofo mivaingana azo ilazana fa tena misy, araka ny tsaho, ny tambanjotra matanjaka eto Madagasikara na iraisam-pirenena, mahazo tombon-tsoa amin’ny halatra taolam-paty. Raha nisy ny fanondranana an-tsokosoko, dia efa tsy maintsy nisy ireo tompon’antoka tratran’ny mpiasan’ny fadintseranana, izay manao fisavana ireo entana mivoaka an’i Madagasikara, hatramin’ny taona ’90 nisian’ity halatra hafahafa ity teto Madagasikara.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo