• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Polisim-Pirenena Malagasy
Image
Vaovao

Raharaha tao Vohémar : Hisy ny fanenjehana araka ny lalàna ireo nandoro ny Biraon’ny Polisy

15/04/2026 15:27 © Moov

Tranga fandorana ny biraon’ny Polisy tao Vohémar no nanaitra ny sain’ny maro, omaly, 14 aprily, hariva. Manameloka tanteraka izany fanohintohinana ny filaminam-bahoaka sy fandikàna ny foto-kevitry ny Fanjakana tan-dalàna, izany, ny Polisim-pirenena, raha nanatanteraka valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety, androany.

Hanokafana fanadihadiana lalina iny tranga iny

Tranga fahita tato ho ato izay, ny fitsaram-bahoaka. Tamin’ity tao Vohémar ity dia ny Kaomisaria no nodoran’ireo mponina rehefa tsy hitan’izy ireo tao ilay olona notadiaviny. Raha tsiahivina dia lehilahy iray nahiahiana ho namono nahafaty mpitondra bisikileta iray, no saika ho vonoin’izy ireo. Rehefa nanazava anefa ny Polisy fa efa nafindra toerana io lehilahy io dia izay no niteraka ny fahatezeran’ireo mponina ka niafara tamin’ny fandorana trano.
Manoloana izany, ny Polisim-pirenena dia milaza fa manameloka tanteraka ny herisetra sy ny fitsaram-bahoaka izy, indrindra ny fanafihana ny mpitandro filaminana sy ny Kaomisarian’ny Polisy. Araka izany, hisy ny fanokafana fanadihadiana mikasika ireny zava-niseho ireny, raha ny nohamafisin’ny Tale Jeneralin’ny Polisimpirenena, ny Contrôleur Général de Police Tsaramonina Ravony Jean Victor, androany.

Miantso ny fitonian’ny vahoaka

Manoloana izany rehetra izany ihany koa anefa dia miantso fitoniana amin’ny Malagasy rehetra ny Polisy. « Tokony hotandremana sy tazomina ny fitoniana, ny fanajana ny lalàna, sy ny soatoavina maha-malagasy dia ny fihavanana sy ny fifankatiavana. Izany rehetra izany dia tokony hiaraka hatrany amin’ny fahendrenana sy ny fahamatorana », hoy hatrany io Tale Jeneraly io.
Nilaza moa izy ireo fa vonona hatrany hiaro ny vahoaka sy ny fananany. Efa nandraisana fepetra ihany koa ny fiarovana ireo Polisy miasa, any an-toerana.

Lire la suite

Articles Similaires