• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Mesupres
Image
Vaovao

Africa Education Summit : Misongadina amin’ny sehatra afrikanina ny mpanabe malagasy

14/04/2026 10:57 © Moov

Nisongadina nandritra ny Africa Education Summit 2026 natao tany Accra ny 19 hatramin’ny 21 martsa, teo, ny mpanabe malagasy. Noraisin’ny minisitra telo misahana ny fanabeazana teny Fiadanana, ireo mpanabe ireo omaly.

Mpanabe miisa telo nahazo fankasitrahana

Nankasitrahan’ny minisitra telo, dia ny Minisitry ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa Ravonimanantsoa Ndaohialy Manda-Vy, ny Minisitry ny Fanabeazam-pirenena Rajaonarison Sendra Nirina, ary ny Minisitry ny Fampianarana Tekinika sy ny Fanofanana Arak’asa Andriamampandry Todisoa ireo mpanabe nahazo loka.
Anisan’ireo nisongadina ny Pr Rejo-Fienena Félicitée, Ramatoa Rasoanantenaina Mamisoa ary ny Pr Rakotonirainy Hasina. Tafiditra ao anatin’ireo olona 100, mpisehatra niavaka indrindra amin’ny sehatry ny fanabeazana aty Afrika izy ireo. Marihina fa voafantina tamin’ireo mpandray anjara maherin’ny 1 000 avy amin’ny firenena 53.
Ny lohahevitra nandritra iny andiany iny, moa raha tsiahivina dia nifantoka tamin’ny fampidirana ny teknolojia amin’ny fanabeazana (EdTech), izay heverina ho lakilen’ny fanavaozana ny rafitra fanabeazana aty Afrika. Tanjona amin’izany ny hampihenana ny elanelana eo amin’ny mponina an-tanàn-dehibe sy ambanivohitra, ary hanatsarana ny kalitaon’ny fampianarana.

Africa Education Summit 2027 – hatao eto Madagasikara

Nambaran’ny tompon’andraikitra fa manaporofo ny fahaiza-manao sy ny ezaka ataon’ny mpanabe malagasy ity fankasitrahana ity. Manamafy ihany koa izany fa afaka mandray anjara mavitrika amin’ny fanavaozana ny sehatry ny fanabeazana eto Afrika i Madagasikara.
Ho fanohizana izany ezaka izany, i Madagasikara no hampiantrano ny andiany faha-5 amin’ny Africa Education Summit amin’ny taona 2027. Vinavinaina ho sehatra iray hanamafisana ny fiaraha-miasa sy hampiroboroboana ny fanavaozana eo amin’ny fanabeazana izany.
Azo lazaina ho dingana lehibe eo amin’ny fanandratana ny hasin’ny fanabeazana eto Madagasikara izao zava-bitan’izy ireo izao.

Lire la suite

Articles Similaires