• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Cua
Image
Vaovao

Antananarivo Renivohitra : Nampiana tosika ny fiarovana ny tanàna amin’ny tondra-drano

15/04/2026 10:04 © Moov

Marefo amin’ny tondra-drano ny tanànan’Antananarivo, vokatry ny fako miparitaka, sy ireo manentsina ny lakandrano. Mba hahafahana mampitombo ny herijika amin’izany ady izany, dia notolorana fampitaovana ny Kaominina avy amin'ny Tetikasa PRODUIR.

Fitaovana hikarakarana ny lakandrano

Vokatry ny fitohizan'ny fiaraha-miasa eo anivon'ny Minisiteran'ny Fanajariana ny tany sy ny Raharahan-tany sy ny Kaominina Ambonivohitra Antananarivo, no nahafahana nanolotra ireo fitaovana ireo. Marihina fa efa misy eo ny eo an-tanana, saingy natolotra ireto moto miisa roa sy tricycle miisa sivy ireto, mba hanamafisana ny asa fanatsarana ny tanàna, amin'ny fanajariana ny tany. Zava-dehibe indrindra amin’izany ny fikarakarana ny lakandrano mba hiadiana amin'ny tondradrano, ny fahadiovan'ny Kaominina sy fanatsarana ny tanàna.
Raha ny fanazavana dia afaka mitatitra fako hatramin’ny 2 taonina eo ho eo, isan’isany ireo tricycle ireo. Araka izany, hanampy ireo fiarabe mpitatitra fako, ka hanafaingana kokoa ny fanadiovana.
Nomarihin’ny Sekretera Jeneralin’ny Minisitera, ihany koa fa ny Kaominina no mpiara-miombon'antoka amin'ny Minisitera amin'ny fanatanterahana ny fanajariana ny tany. Tsy amin'ny resaka " permis de construire" fotsiny izany fa amin'ny fahadiovana ihany koa ary ny fiarovana ny lemak'Antananarivo amin'ny tondra-drano. Satria nahitana olana lehibe, tamin'ny fotoana naha betsaka ny orana ny fahabetsahan'ny fako nanentsina ny lakandrano ka mahatonga ny tondra-drano sy ny fitohanana ary olana amin'ny famezivezena. Izany rehetra izany, no anton’ny fampitaovana.

Fiaraha-mientan’ny mponina

Mbola nanamafy ihany koa ity Tomponandraikitra ity fa "tsy renivohitr'i Madagasikara fotsiny ity Kaominina Ambonivohitra Antananarivo ity, fa misy ireo 43% ny mponina Ambonivohitra manerana an'i Madagasikara, izay tompon'andraikitra voalohany amin'ny fikajiana ny fahadiovan'ny tanàna, ny filaminan'izany ary ny firindrany." Araka izany, ilàna ny fiaraha-mientan’ny rehetra ny fitandroana ny fahadiovana sy ny fitantanana ny tanàna. Tanjona amin'ny fitaovana izay nomena ny mba hahafahana manatsara ny tanàna sy misoroka ny mety fahavoazana ateraky ny loto mba hananana Tanàna madio sy milamina. Izany tanàna madio sy milamina izany anefa dia miainga avy amin’ny fahatsapan-tenan’ny tsirairay.
Etsy ankilany anefa dia nanamafy ny avy ao amin’ny Minisitera fa mbola hitohy ny fanomezan-tanana, mba hisatrahan'ny mponin'Antananarivo ny filaminana amin'ny fitantanana ny tanàna.

Lire la suite

Articles Similaires