• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Cocooncenter
Image
DYI

Fanamboarana diloilo coco mampiasa hafanana

18/06/2024 16:43 © Moov.Mg

Misy karazany maro ny fomba fanamboarana diloilo coco tsy mifangaro. Efa nozaraina teto ny fanamboarana azy tsy mampiasa hafanana. Ny fomba fanaovana diloilo coco mampiasa hafanana indray ary no ‘ndeha ho resahana eto.

Ireo zavatra ilaina

-Nofona coco ;
-Rano.

Ireo dingana amin’ny fikarakarana azy

Kikisana anaty lovia jobo ny voanio na ny coco. Fikikisana mafy tsara toy ny ambozo no ampiasaina mba ho azo tsara avokoa ny nofony. Rehefa vita izay dia asiana rano kely ary aroharoana hifangaro tsara.
Avy eo volavolaina sy potserina amin’ny tanana roa mba hivoaka ny rano sy ny menaka ao avy amin’ny nofon’ny voanio. Raha manana « mixer » dia afaka totoana ao indray mandeha mba hivoaka tsara daholo ny ranony. Tokony ahazo fangaro fotsifotsy toy ny ronono rehefa notsihifina tsara ilay voanio. Aorian’izay dia tatavanina ary tatazana amin’ny fitoerana vita amin’ny vera mahazaka hafanana ny ranona voanio azo teo.
Hafanaina amin’ny hafanana 180°C mandritra ny 15 minitra ny lafaoro. Raha tsy hampiasa lafaoro dia mampangotraka rano kely ao anaty vilany. Tsy tokony mandifotra ilay fitoerana nasiana ilay ranona coco io rano anaty vilany io. Pihina ny lafaoro rehefa tapitra ilay 15 minitra ary atsofoka ao ny fitoerana misy ny ranona coco. Esorina ambony afo kosa ny vilany rehefa nangotraka tsara ny rano ary apetraka ao ilay fitoerana vera misy ny ranona voanio. Saromana tsara ny vilany. Avela hilona indray alina.
Rehefa maraina ny andro dia ho hita fa misaraka ny rano sy ny menaka. Ny menaka voanio hitsingevana ambony ary ny rano hijanona ambany. Alaina moramora amin’ny sotro ilay menaka mivaingana io ary tehirizina anaty « bocal » misarona tsara. Azo tehirizina anaty vata fampangatsiahana mandritra ny 1 volana eo ho eo.

Lire la suite

Articles Similaires