• Cours de change
  • 4773.83 AR
  • |
  • $4464.45 AR
Copyright Image : © Bébés Et Mamans
Image
Reny&Zaza

Impiry no tokony manao « échographie » ny bevohoka ?

06/06/2024 13:27 © Moov.Mg

Isan’ny fanaraha-maso atao mandritra ny fitondrana vohoka ny « échographie ». Misy ireo milaza fa tsy azo atao matetika loatra hono ny « échographie » fa atahorana hisy fiantraikany ratsy amin’ny fahasalaman’ny bevohoka sy ny zaza ao an-kibo. Impiry tokoa ary ny tokony manao « échographie » ny bevohoka ? Misy atahorana tokoa ve ny fanaovana izany matetika loatra ?

Inona no ilaina anaovana « échographie » mandritra ny fitondrana vohoka ?

Fizaham-pahasalamana isan’ny manan-danja indrindra mandritra ny fitondrana vohoka ny fanaovana « échographie ». Amin’ny alalan’izy io tokoa mantsy no ahafahan’ny mpitsabo na rasazy manara-maso ny zava-misy ao anatin’ny kibon’ny bevohoka. Izany hoe afaka hitarafana ny fizotry ny vohoka ary indrindra ny fitomboan'ny zaza ao an-kibo.
Ankoatra izay dia ahafahana mahita hoe vavy sa lahy ny zaza ao am-bohoka ihany koa izy io. Efa misy ankehitriny ny « échographie 3D » izay mampiseho sary mazava kokoa ny endrika sy ny vatan’ny ny zaza ao an-kibo. Amin’ny ankapobeny moa dia mila manao « échographie » intelo ny bevohoka mandrapaterany.

Isaky ny oviana ary no mila manao « échographie » ny bevohoka ?

Mila manao « échographie » intelo ny bevohoka farafahakeliny. Mizara toy izao ny fotoana anatanterahana izany :
-Ny « échographie » voalohany atao rehefa mbola latsaky ny 3 volana ny vohoka. Mandritra io fitarafana voalohany io no hijerena hoe bevohoka tokoa ve ilay reny ary ara-dalàna tsara ve ny vohoka, toy ny hoe ao anatin’ny tranon-jaza ve no mipetraka ilay « fœtus ». Eo ihany koa no ahafantarana ny datin’ny kibo sy ny fotoana mety ahaterahana.
-Ny « échographie » faharoa dia atao manodidina ny faha 5 volana ny vohoka. Eo no ahitana raha sanatria misy tsy fahatomombanana ny fitomboana sy ny fivoaran’ny zaza ao an-kibo. Refesina mandritra izany ny haben’ny lohan’ny zaza, jerena avokoa ny mikasika ireo taova tokony efa miforona rehetra. Eo ihany koa no tokony hita hoe lahy kely sa vavy kely ilay zaza.
-Ny « échographie » fahatelo dia atao amin’ny faha 8 volan’ny kibo. Io fitarafana io no hijerena ny fipetraky ny zaza ao an-kibo sy hiomanana sahady raha ho teraka ara-boajanahary ilay zaza na mety mila fandidiana. Fotoana ahafahana manamarina hoe lahy kely sa vavy kely ilay zaza satria eo no tokony efa hita mazava izany.

Misy atahorana ve ny fanaovana « échographie » mihoatra ny intelo ?

Amin’ny ankapobeny dia tsy tokony misy atahorana ho an’ny fahasalaman’ny bevohoka sy ny zaza ao an-kibo ny fanaovana « échographie » matetika. Tsy misy « rayon X » tokoa mantsy ny ity fitarafana ity ka tsy atahorana hahasampona ny zaza na hankarary ny reny.
Raha misy ahiana rahateo ny mikasika ny vohoka dia mety mbola asain’ny mpitsabo na rasazy manao « échographie » hafa ankoatra ireo intelo ireo ny bevohoka. Na dia tsy dia misy ahiana aza nefa ny fanaovana azy io dia mila atao am-pahendrena kosa izany fa tsy atao matetika be loatra.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo