Vehivavy mitady zaza : Tokony ho tsara kalitao ny "Glaire cervicale"
Tsy vitsy ireo vehivavy misedra olana amin'ny fananana anaka, izany hoe tsy mety bevohoka na manao firaisana ara-nofo amin'ny andro lonaka aza.
Samy manana ny toe-batany na olana ara-pahasalamana ny vehivavy tsirairay. Tsy voatery ho "momba" na "nanala zaza" na "nanao fanabeazana aizana" hatrany ireo misedra fahasarotana. Arakaraka ny fizahana ara-pahasalamana ataon'ny mpitsabo ny fitsaboana arahina. Ho an'ireo vehivavy mbola tsy bevohoka mihitsy, mety hanampy amin'ny fananana anaka ny "Glaire cervicale"
Ireo fomba hanatsarana ny kalitaon'ny "Glaire cervicale"
Ny fisakafoanana manara-penitra amin'ny andavan'andro dia efa manampy ny mpivady amin'ny fananan-janaka. Ho an'ny vehivavy, tokony ho tsara kalitao ny "Glaire cervicale", dia ilay tsiranoka vokarin'ny vozon'ny tranonjaza, mahamandina ny fivaviana rehefa miray ara-nofo. Io tsiranoka io dia sady manamora ny firaisana ara-nofo no manome hery ny tsirin'aina lahy. Raha "maina" be izany ny vehivavy dia mila fitsaboana manokana.
Ireto avy ny lisitry ny sakafo tsara hanina :
-Voankazo sy legioma, karazany 3 avy isan'andro
-Sakafo be "Oméga 3" toy ny trondro matavy, épinard, zavokà, sns
-Sakafo be "Vitamine A", toy ny karaoty, voatavo, manga, atikena, sns
-Sakafo be "Vitamine B", toy ny atody, voatabia, brocoli, choux-fleurs, sns
-Sakafo be "Vitamine C", toy ny voasary makirana, voasary, goavy, poivron, sns
-Sakafo be "Vitamine D", toy ny tamenak'atody, champignons, sardines, saumon, sns
Mila ahena ny fihinanana "produits laitiers", ny kimofomofo, ny siramamy sy ny sakafo misy akora simika. Amporisihina ny fikarakarana sakafo ao an-trano mba tsy ho sodokan'ireo tsakitsaky isan-karazany. 
Ireo tokony tandremana raha mitady zaza
Marobe ireo torohevitra sy "fanafody natoraly" etsy sy eroa, ho an'ireo mitady zaza. Tsy vitsy ireo sodoka ka lasa misotro karazana tambavy na mihinana karazam-panafody atoron'olon-tsotra.
Tsiahivina nefa fa samy manana ny toe-batany ny vehivavy tsirairay, ary tsy misy mitovy ny antony ara-pahasalamana mahatonga ny fahasarotan'ny fananan'anaka. Tsara araka izany raha manantona mpitsabo manam-pahaizana manokana, ka manatanteraka fizahana lalina. Arahina an-tsakany sy an-davany ny "traitement", na dia mety lafo tokoa aza ny fanafody ilaina. 
                
                
                
                
                
                
                
    

