Rarintsaina : mety mahasarotra bevohoka tokoa ve ?
Rotorotom-piainana, fihetseham-po sarotra fehezina, zavatra be loatra hieren’ny saina… Olana iray lehibe mipetraka eo amin’ny andavanandrom-piainantsika ny rarintsaina. Araky ny siansa moa dia mety mampihena ny fahafahana mitoe-jaza ity farany. Misy ihany koa etsy andaniny ireo fikarohana mampiseho ny fifandraisana amin’ny rarintsaina sy ny « fertilité » ny vehivavy. ‘Ndeha ho resahana eto ny mikasika izany.
Ahoana ny fiantraikan’ny rarintsaina eo amin’ny « fertilité » ny vehivavy ?
Isan’ireo anton-javatra tsy hita maso izay mety mampihena ny « chances » mahabevohoka ny vehivavy ny rarintsaina. Araka ireo vokam-pikarohana nataon’ireo manam-pahaizana dia misy fiantraikany maro eo amin’ny « fertilité » ny vehivavy izy io. Anisan’izany ny :
-Fanakorontanana ny hormonina. Ny rarintsaina maharitra na « chronique » dia mampikorontana ny « hypothalamus », izay faritry ny atidoha mibaiko ny hormonin’ny « reproduction ». Izany moa dia mety hampiovaova ny fotoana fisian’ny « ovulation » ary mety tsy hampisy azy mihintsy.
-Fikorontanan’ny fitsingerenan’ny fadimbolana. Rehefa miaina anaty rarintsaina mafy ny vehivavy dia mety lasa miovaova ny fitsingerenan’ny fadimbolana. Raha izany no mitranga dia lasa sarotra fantarina ny fotoana mahalonaka na « période fertile » ny vehivavy.
-Tsy fisian’ny fadimbolana. Eo amin’ireo tranga tena sarotra dia mety mahatonga tsy fisian’ny fadimbolana ny rarintsaina. Izany hoe tsy mety tonga fotoana ilay vehivavy ka mazava ho azy fa lasa miato manarak’izay ny « fertilité » na ny fahafahany mitoe-jaza.
-Faharatsian’ny kalitaon’ny « ovocytes ». Ny rarintsaina lalina eo amin’ny vehivavy ihany koa dia mety hanimba ny kalitaon’ny « ovocytes » ka hampitombo ny « risque » mety hahafa-jaza.
Ireo lafin-javatra hafa mety manasarotra ny fiantraikan’ny rarintsaina
Tsy ny rarintsaina ihany no tompon’andraikitra amin’ny fihenan’ny « chance » mahabevohoka ny vehivavy. Misy ihany koa ireo anton-javatra hafa mety mampihena ny « fertilité », toy ny :
-Fifohana sigara ;
-Sakafo tsy voalanjalanja ;
-Fisotroana kafe be loatra ;
-Fanatanjahantena na fampiasam-batana mafy loatra.
Ahoana ny atao hampihena ny rarintsaina sy hampitombo ny « chances » hahabevohoka ?
Mety miteraka fihetseham-po maro, toy ny tebiteby, fanameloan-tena, alahelo, fahakizitinana… ny tsy fahasarotan’ny fananan’anaka eo amin’ny vehivavy. Ireo fihetseham-po ireo nefa dia vao maika mampitombo ny rarintsaina ka vao maika tsy mampitoe-jaza azy. Misy nefa ireo vahaolana natoraly manampy mba hamehezana ny rarintsaina sy handrisihana ny « fertilité » :
-Manetsiketsika vatana amin’ny alalan’ny fanaovana dia tongotra, filomanosana… ;
-Fanafoanana ireo fahazaran-dratsy toy ny fisotroana toaka, fifohana sigara, fihinanana sakafo eny antenan-tenam-potoana ;
-Fametrahana fotoana hahafahan’ny saina sy ny vatana maka aina.


