• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Us Embassy
Image
Vaovao

Peace Corps : Niisa 1.600 ireo mpilatsaka an-tsitrapo efa niasa teto Madagasikara

17/05/2024 14:01 © Moov.Mg

Mpilatsaka an-tsitrapo miantsehatra amin’ny asa sosialy manakaiky ny vahoaka ifotony ny Peace Corps. Mankalaza ny faha-30 taona niasany teto Madagasikara izy ireo androany.

Fifanakalozam-pahalalana

Fanasana avy amin’ny Governemantan'i Madagasikara no nahatongavan’ireo mpilasaka an-tsitrapo avy ao amin’ny Peace Corps voalohany niasa teto Madagasikara, mba ho famaliana ny filàna manokana misy eto an'ny firenena. Tamin'ny taona 1993 no nanomboka ny fandaharan'asa eto Madagasikara, tamin'ny alalan'ny mpilatsaka an-tsitrapo valo, nisehatra teo amin’ny tontolon’ny fampianarana. Tao anatin’ny telopolo taona kosa dia efa nahatratra teo amin’ny 1.600 izy ireo no niasa teto amintsika. Amin'izao fotoana izao, misy mpilatsaka an-tsitrapo 43 miasa eto Madagasikara, amin’ny sehatra telo, dia ny fahasalamana sy ny fanabeazana ary ny fambolena. Miara-miasa akaiky amin'ny fiarahamonina izy ireo, mamaly ireo filàna eo an-toerana no sady mamatotra rohim-pihavanana matanjaka. Tanjona ny hisian’ny fiantraikany maharitra amin’ny asa tanterahany, ka vaindohan-draharahan’ny Peace Corps ny fifanakalozam-pahalalana amin’ny mponina eny ifotony.

Fandriampahalemana sy ny firahalahiana

Ny filoha amerikanina John F. Kennedy no nanorina ny Peace Corps, tamin’ny taona 1961. Sampan-draharaha tsy miankina eo anivon’ny governemanta amerikanina, natokana hampiroboroboana ny fandriampahalemana sy ny firahalahiana maneran-tany izy ity, izay miompana amin'ny tanjona telo : ny fanohanana ny firenena mpiara-miasa amin'ny fanampina azy ireo hanana lehilahy sy vehivavy tsara ofana, ny fanatsarana ny fahafantarana ny Amerikanina eo amin'ny sehatra iraisam-pirenena, ary ny fanitarana ny fahafantaran’ny Amerikanina ireo kolontsaina hafa. Lanonana notarihin'ny Ambasadaoro Amerikanina eto Madagasikara sy any Kaomoro, Claire Pierangelo, sy ny Talen’ny Peace Corps eto Madagasikara, Mariah Cissé, ary ny Minisitry ny Asa sy ny Fampananan’asa ary ny Asam-panjakana, Hanitra Fitiavana Razakaboana, no nanamarihana ny faha-30 taona niasan’ireo mpirotsaka an-tsitrapo amerikanina teto Madagasikara androany.

Mipaka eny ifotony

Nandritra izany no nanamafisan’ny Ambasadaoro Pierangelo ny maha-zava-dehibe ny fitohizan’ny fiaraha-miasa eto Madagasikara. "Eo am-pibanjinana ny hoavy, andao hanohy hampiroborobo ny lovan'ny Peace Corps ary hiara-hiasa mba hamorona Madagasikara mandroso kokoa sy hanjakan’ny fitoviana kokoa ary milamina kokoa ho an'ny rehetra. Rehefa miaraka isika dia afaka mahavita zavatra lehibe, sy afaka manorina hoavy mamiratra kokoa ho an'ny taranaka.", hoy izy. Ny Talen’ny Peace Corps eto Madagasikara kosa dia nanasongadina ny anjara asan'ny ireo mpilatsaka an-tsitrapo eo amin’ny fampandraisana anjara ny vahoaka ifotony, mba hisian’ny fiantraikany mipaka eo amin’ny fiarahamonina. « Izany no ahafantarany ny filàna sy ny fanirian'ny olona izay iarahany miaina sy iarahany monina. Ahafahan’ny mpilatsaka an-tsitrapo sy ny fiarahamonina mametraka fiovana tsara amin'ny fomba mivantana sy mifandraika amin’ny zava-misy izany fiaraha-miasa isan'andro izany. Ahafahan’izy ireo mandray anjara amin'ny fifanakalozana ara-kolontsaina ihany koa, mba hampiroboroboana ny fandriampahalemana sy ny firahalahiana eran-tany », araka ny nambarany.

Lire la suite

Articles Similaires