Fomba tsotra fanaovana « porc laqué »
Nahandro iray matsiro tokoa ny « porc laqué ». Azo hoanina amin’izao atao tsakitsaky, atao laoka na ihany koa hanomezana tsiro sakafo isan-karazany izy io. Maro ihany koa ankehitriny ny mivarotra azy io efa vita. Araho eto ary ny fomba tsotra fikarakarana « porc laqué » ao an-trano.
Ireo zavatra ilaina raha hanao « porc laqué »
-Soron-kisoa tsy misy taolana 1,5 kg ;
-Tantely 2 sotro fihinanana.
Ireo akora ampiasaina amin’ny « marinade »
-Siramamy fotsy 1 sotro fihinanana sy tapany ;
-Tantely fahefan’ny kaopy ;
-« Sauce soja » 2 sotro fihinanana ;
-« Sauce Hoisin » fahefan’ny kaopy ;
-« 5 épices » 1 sotro fihinanana ;
-« Colorant » mena 2 sotro fihinanana ;
-Menaka 1 sotro fihinanana.
Ireo dingana amin’ny fikarakarana ny nahandro
Atambatra anaty lovia jobo ireo akora rehetra amin’ny fanaovana « marinade ». Miloko menabe izy io rehefa mitambatra fa tsy tokony ahataitra.
Zaraina 2 lehibe manaraka ny alavany ny soron-kisoa.
Atao anaty fitoerana misy sarony ny sorony sy ny « marinade ». Tondrahana tsara amin’ilay « marinade » io mihintsy ilay hena mba ho ahazo tsara izany avokoa.
Saromana tsara ary avela hilona mandritra ny 24 ora hatramin’ny 48 ora mba ho tafiditra tsara ny « marinade ». Raha azo atao dia atao anaty « sac thermique » io fangaro io.
Rehefa vita ny fotoana nandomana azy dia afanaina amin’ny hafanana 160°C ny lafaoro.
Asiana « papier aluminium » sy grille eo ambony « plateau ». Apetraka eo ambonin'ilay « grille » ny soron-kisoa avy eo ampidirina anaty lafaoro.
Masahana mandritra ny 30 minitra. Etsy andaniny atao anaty vilany ilay « marinade » sy izay ambina tantely tavela, ka avela angotraka mandritra 2 minitra amin’ny afo malefaka.
Avoaka tao anaty lafaoro ny hena ary osorana an'ilay « marinade » ny ambadika sy ny ambadika. Tsara raha mampiasa « pinceau » mba hiosotra tsara.
Aorian’izay dia averina andrahoina anaty lafaoro mandritra ny 30 minitra. Avoaka indray dia osorana « marinade ».
Averina masahana mandritra ny 10 minitra mandra-piraikitra ny « caramel ». Vita izay dia avela ipetraka 15 minitra izay vao rasaina amin’ny antsy maranitra tsara.