Fahasalaman’ny lehilahy : ireo soritr’aretina madinika matetika atao tsirambina
Maro ny lehilahy zatra manamaivana ireo famantarana omen'ny vatany. Noho ny tsy fahampian'ny fotoana, ny tahotra sao misy aretina hita, na koa satria mieritreritra fa "ho afaka ho azy ihany izany", dia matetika mangatak’andro manatona mpitsabo. Na dia heverina tsy mampanahy aza ny soritr’aretina iray dia indraindray mety ho famantarana olana ara-pitsaboana mila tsaboina haingana nefa izany. Ireto manaraka ireto àry ireo soritr’aretina madinika matetika ataon’ny lehilahy tsirambina mandritra ny fotoana ela.
Havizanana maharitra
Zavatra ara-dalàna ny fahatsapana reraka rehefa avy niaina adin-tsaina na tsy ampy torimaso nandritra ny andro maromaro. Saingy raha maharitra herinandro maromaro izany havizanana izany nefa tsy misy antony mazava, dia tokony hojerena akaiky.
Mety izany ho vokatry ny tsy fahampiana torimaso tsara, tsy fahampiana rà, olan’ny hormonina, aretim-po, na diabeta vao manomboka. Raha miaraka amin'ny fihenan-danja tampoka, sempotra na fahaverezan-kery be moa izany dia mila manatona mpitsabo haingana.
Olana amin’ny fivalanan-drano
Maro ny lehilahy mihevitra fa ara-dalàna ny mivalan-drano na mipipy matetika kokoa rehefa mihantitra. Marihana nefa fa ny filàna mipipy matetika, ny fahasarotana mamoaka pipy, na ny fahatsapana fa tsy foana tanteraka ny tatavia dia mety manondro olana amin’ny « prostate ».
Na dia vokatry ny fitomboan’ny « prostate » tsy misy homamiadana na hoe « hypertrophie bénigne de la prostate » aza ireo soritr’aretina ireo matetika dia ilaina hatrany ny manao fitiliana mba hahafantarana ny tena antony.
Fahasemporana tsy mahazatra
Ho an’ny olona salama dia tsy tokony hahatonga fahasemporana be ny fiakarana tohatra vitsivitsy na ny fandehanana haingana. Mbola maro nefa ny lehilahy manao tsirambina io soritr’aretina io.
Raha toa ka lasa sarotra noho ny teo aloha ny manao ezaka tsotra, na mora sempotra amin'ny asa andavanandro dia mety misy ifandraisany amin'ny aretim-po, aretin'ny havokavoka, na olana ara-pahasalamana hafa izany. Ny tsy firaharahiana io soritr'aretina io mandritra ny volana maro dia mety hanemotra ny fitiliana aretina lehibe.
Fanaintainana malefaka nefa miverimberina eo amin'ny tratra
Tsy voatery ho mafy vao mampanahy ny fanaintainana eo amin'ny tratra. Indraindray dia toy ny tsindry, fanelingelenana, na fahatsapana mavaivay miverimberina fotsiny no tsapan'ny olona.
Noho izy tsy dia mafy, dia matetika heverina fa avy amin'ny adin-tsaina, havizanana, na olana amin'ny fandevonan-kanina. Mety ho famantarana voalohan'ny aretim-po ihany koa nefa izany ka ilaina ny manao fitiliana.
Kohaka tsy mety afaka
Tokony hihena sy ho sitrana tsikelikely ao anatin'ny herinandro vitsivitsy ny kohaka vokatry ny sery. Raha maharitra ela izy io, miverimberina matetika, na miaraka amin'ny sempotra sy fihenan-danja, dia ilaina ny manatona mpitsabo.
Ho an’ny mpifoka sigara dia tsy tokony hoheverina ho zavatra ara-dalàna ny kohaka maharitra. Ny fandraisana an-tanana malaky dia manampy betsaka amin’ny fahombiazan’ny fitsaboana raha sanatria misy aretina lehibe ambadiky ny kohaka maharitra.
Olana maharitra amin'ny fienjanan’ny filahiana
Maro ny lehilahy no menatra hiresaka momba ny olana amin’ny fienjanan’ny filahiana aleony tsy raharahiana. Tsy ny fiainana ara-pananahana ihany nefa no voakasik’izany.
Mety ho iray amin'ireo famantarana voalohany ny diabeta, fiakaran'ny tosidrà, na aretim-po ihany koa nefa izany. Ny fitiliana aloha dia manampy amin'ny fitadiavana sy fitsaboana ny tena antony.
Inona no mahatonga ny lehilahy tara vao manatona mpitsabo ?
Maro ny antony mahatonga izany:
-Fanamaivanana ny soritr’aretina ;
-Tahotra sao misy aretina lehibe hita ;
-Tsy fampiana fotoana ;
-Fahamenarana na tsy te haneho fahalemena ;
-Fanantenana fa ho sitrana ho azy.
Indrisy anefa fa ny fiandrasana ela loatra dia mety hanasarotra ny fitsaboana sy hampitombo ny loza mety hitranga.




