• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Ergomums
Image
Reny&Zaza

Zaza kenda na kofona : ireo fitandremana mila atao

01/02/2024 10:07 © Moov.Mg

Maro ny zazakely kofona na kenda rehefa misakafo. Matetika moa mora misinda izany fahakendana izany. Misy fotoana nefa tsy afaka ho azy fa mila fandraisan-tanana amin’ny mpitsabo satria mety hitera-doza ho an’ny zaza. Mety miseho amin’ny endrika maro samihafa izy ireny ka atoro eto ireo fitandremana mila atao.

Ireo antony mety mahakenda na mahakofona ny zazakely

Toe-javatra iray isan’ny mahatonga ny fahafatesan’ny zazakely amam-bolana ny kenda na kofona. Maro ireo antony mety mahatonga izany.
-Mety mahakofona ny zazakely ny fihinana vary na sakafo tsy nopotserina malemy raha toy izy ka mbola vao manomboka mianatra misakafo ;
-Mety ho kofona ihany koa ny zazakely rehefa minono na misotro solon-dronono raha toa ka mafy loatra ny fandehan’ilay ronono ;
-Mety mahakenda ny zazakely ny fahatelemana sakafo mafy, malama sy boribory toy ny voaloboka, ny vatomamy, ny voankazo misy voaniny… ;
-Mety mahakenda ny zazakely ihany koa ny fahatelamana kilalao na zavatra kely mety hijanona ao amin’ny tendany.

Inona no mety hitranga eo amin’ny zaza kenda na kofona

Rehefa kenda na kofona ny zazakely dia mety ho tsentsina ny lalan-kanina ao amin’ny tendany na ho tsentsina ny lalan-drivotra. Raha tsentsina tanteraka ny lalan-drivotra dia tsy hahazo « oxygène » intsony ny avokavok’ilay zaza. Izany dia mety hahatonga fahasimba na tsy fahatomombanana ao amin’ny atidohany ary mety hitarika hatramin’ny fahafatesana.
Raha toa ka ny ampahan’ny lalan-drivotra ihany no tsentsina dia hisy rivotra kely ho tafiditra ihany ao amin’ny avokavok’ilay zaza. Na izany aza nefa dia tsy ahavita miaina tsara izy, mety hikohoka na koa mety misioka ny tratrany rehefa miaina. Raha izany no mitranga dia mety hivoaka ho azy ilay zavatra na sakafo nahakenda azy rehefa mikohoka izy.
Raha vantany vao kenda ny zaza dia tsara hatrany ny manantona mpitsabo raha toa ka tsy mahay manao ireo atao hoe « gestes de premiers secours » izay manampy amin’ny famoahana ny zavatra na sakafo voatelin’ny zaza. Mila entina avy hatrany eny amin’ny toeram-pitsaboana na hopitaly kosa ny zaza kenda na kofona raha toa ka :
-hita mijaly na sahirana izy rehefa miaina na hoe misokasoka ny vavany ;
-mamoaka feo maranitra izy rehefa mitomany na miezaka miteny ;
-tsy mahavita mikohoka ;
-sempotra na tsy miaina ;
-safotra.

Ireo fomba hiarovana ny zaza tsy ho kenda na ho kofona

Ireto torohevitra manaraka ireto dia manampy betsaka amin’ny fiarovana ny zaza tsy ho kenda na ho kofona :
-Arahana maso tsara ny zaza mandritra ny fotoana hisakafoanany sao sanatria kofona tampoka ;
-Arahana maso tsara ihany koa rehefa izy mandady iny sao mitsindroka zavatra kely mora atao ao am-bava sy mety ahakenda azy ;
-Tandremana tsara ny kilalao omena ny zazakely. Fadiana ireo zavatra mora atelina toy ny kanety, kilalao na zavatra madinika kely… ;
-Rehefa manome sakafo ny zaza dia atao amin'ny endrika mifanaraka amin'ny taonany sy ny fahaizany mitsako izany. Raha vao manomboka omena sakafo ny zazakely dia atao malemy tsara ny sakafo omena azy. Potserina avokoa na ny vary, ny lasopy…
-Rehefa manomboka misy nify sy afaka mitsako izy dia sakafo mora tsakoina sy miendrika tapatapaka kely no omena azy. Rehefa betsaka ny nifiny, eo amin’ny faha 9 hatramin’ny faha 12 volany eo dia azo omena sakafo notetehina « en dé » sy sotro efa feno izy.
-Ampianarina misakafo am-pitoniana ihany koa ny zazakely ary atoro azy moramora hoe tsakoina tsara ny sakafo vao atelina.
-Zarina mipetraka sy tsy mandehandeha ny zaza rehefa misakafo mba hiarovana azy tsy ho kofona na ho kenda.

Lire la suite

Articles Similaires