• Cours de change
  • 4783.72 AR
  • |
  • $4459.88 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Vaovao

Fifidianana 2023 : Miisa 14 ireo ho fidiana filoham-pirenena

22/08/2023 10:24 © Moov.Mg

Nandaitra sa tsia ny sivana tamin’ny nampiakarana ny « caution » ho 200 tapitrisa ariary ? 14 hatreto ireo olona vinavinaina fa ho kandida amin’ny fifidianana izay ho filoham-pirenena. Azo heverina fa mbola mety hisy nefa ireo kandida hirotsaka amin'ny ora farany, eny fa na mbola tsy fanta-bahoaka aza.

Ireo efa nanambara ny filatsahan-ko fidiana

Andro sisa no isaina dia hisokatra ny fametrahana ny antontan-taratasy amin’ny filatsahana ho fidiana ho filohan’ny Repoblika 2023 eto Madagasikara. Amin’ny 23 aogositra hatramin’ny 5 septambra no anatanterahana izany. Ireto tononina manaraka ireto no efa nanambara ampahibemaso fa ho kandida.

Marc Ravalomanana

I Marc Ravalomanana, filohan'ny Antoko TIM, no anisan'ny nanambara tamin'ny fomba ofisialy voalohany fa hirotsaka amin'ny fifidianana filoham-pirenena 2023. Efa volana vitsivitsy izay ny tenany no nanatanteraka hetsika maro. Tsy voatanisa ny fitetezam-paritra efa vitany, na dia mbola tsy fotoanan'ny propagandy aza.

Nandray anjara tamin'ny fanentanana ny olom-pirenena hisoratra anarana amin'ny lisi-pifidianana ny tenany. Ny fandaharan'asa "MAP PLUS" no ho ampihariny, raha tafaverina amin'ny fitondrana indray izy.


Copyright Image : © Marc Ravalomanana

Hajo Andrianainarivelo

Kandidan'ny Malagasy Miara-Miainga (MMM) i Hajo Andrianainarivelo. Efa volana vitsivitsy izay ny tenany no nanomboka ny fitsidiham-paritra. Ity kandidà ity dia anisan'ireo sahisahy manakiana ny fitondrana ankehitriny, indrindra moa mikasika ny tsy fanarahan-dalàna isan-karazany.


Copyright Image : © Hajo Andrianainarivelo

Tahina Razafinjoelina

Sambany no nisy mpampianatra sady mpitantana orinasa hirotsaka ho fidiana ho filoham-pirenena eto Madagasikara. Mpandraharaha sady mpampianatra eto an-toerana i Tahiana Razafinjoelina. Tompon'ny gazety Tia Tanindrazana moa ny tenany.


Copyright Image : © Tahina R

Harilanto Ratsirahonana

Lalaina Harilanto Ratsirahonana, avy amin'ny fikambanana “An’i Kristy”, dia zanaka faralahin'i Norbert Lala Ratsirahonana. Ny antoko politika Fihavanantsika moa no nanolotra azy ho kandida amin'ny fifidianana filoham-pirenena 2023. “Hametraka fanjakana manana andraikitra hampanjaka ny rariny sy fahamarinana isika", hoy izany kandida izany.


Copyright Image : © Infomédia 261

Masy Goulamaly

Masy Goulamaly no andriambavilanitra voalohany nanambara fa hirotsaka ho kandida ho filoham-pirenena. Solombavambahoaka voafidy tany Tsihombe ny tenany ary mirotsaka amin'ny anaran'ny "Avotantsika Miaraka I Madagasikara". Vao niandoha ity taona 2023 ity dia efa nampahafantatra ny fahavononany izy. Nahafantaran'ny maro azy moa ny fanolorana volavolan-dalàna anomezan-dalana malalaka ny IVG na ny fanatsaharana ny vohoka, saingy tsy lany izany.


Copyright Image : © Masy Goulamaly

Annick Ratsiraka

Handimby an-drainy i Annick Ratsiraka. Izy no natolotry ny antoko politika AREMA ho kandida amin'ny fifidianana filoham-pirenena 2023. Vao andro vitsy izay no nataony ny fanambarana. Tsikaritra kosa nefa fa mbola tsy nanomboka ny fitsidiham-paritra mihitsy ny tenany.


Copyright Image : © AREMA

Roland Ratsiraka

Mbola hirotsaka ho fidiana ho filoham-pirenena indray i Roland Ratsiraka amin'ity taona 2023 ity. Izy moa dia atolotry ny antoko politika Malagasy Tonga Saina na MTS. Anisan'ireo kandida nanasonia ny "Charte de bonne conduite" natolotry ny FES ny tenany.


Copyright Image : © MTS

James Rasoamaka

Tamin'ny 9 aogositra teo no nanambara ny filatsahany ho kandida ho filoham-pirenena i James Rasoamaka. Izy moa dia atolotry ny antoko Mamiko ny Taniko Madagasikara (MTM). Araka ny nambarany teny Soavinimerina, tsy matahotra ireo kandida efa malaza ny tenany na dia olombaovao aza.


Copyright Image : © James Rasoamaka

Ireo mbola tsy nanao fanambarana

Na dia efa manakaiky aza ny fotoana fametrahana ny antontan-taratasy amin'ny filatsahan-ko fidiana, mbola misy ireo mpanao politika tsy nanao fanambarana mivantana. Izy ireto nefa dia samy manao ny ainy tsy ho zavatra amin'ny fanantonana ny vahoaka.

Andry Rajoelina

Ny filoham-pirenena ankehitriny, Andry Rajoelina, dia mbola tsy nanambara ny hilatsahany ho fidiana indray. Azo heverina nefa fa mbola mikasa hitondra an'i Madagasikara fanindroany ny tenany. Porofon'izany ireo fitetezam-paritra, ahitana fanokanana zava-bita sy asa soa isan-karazany.


Copyright Image : © PRM

Hery Rajaonarimampianina

« Tompon’ny lakilen’ny Lavanila » : Izany no solon’anarana azon'i Hery Rajaonarimampianina tany amin'ny faritra avaratry ny nosy. Na dia efa herinandro maromaro aza izay no nanombohany ny fitsidiham-paritra, mbola tsy nisy fanambarana ofisialy ny amin'ny hilatsahany ho fidiana aloha hatreto. Mety azo heverina ihany koa nefa ny hanolorany na hanohanany kandida hafa.


Copyright Image : © HR2023

Siteny Randrianasoloniaiko

Amin'ny faran'ity volana aogositra ity vao hanao fanambarana ofisialy mikasika ny fifidianana 2023 i Siteny Randrianasoloniako. Azo heverina tsara nefa fa hirotsaka ho fidiana ny tenany. Ny Mihava Tour no nentiny nanakaiky vahoka teto Antananarivo sy tany amin'ireo faritra maro dia maro. Tamin'ny faran'ny herinandro teo, voatendry ho sekretera nasionalin'ny antoko PSD ny tenany.
Araka izany, ho kandida amin'ny anaran'ny PSD i Siteny Randrianasoloniaiko.


Copyright Image : © Siteny R

Andry Raobelina

Anisan'ireo "nouvelles têtes" amin'ity fifidianana filoham-pirenena 2023 ity i Andry Raobelina, nefa mbola tsy nanambara tamin'ny fomba ofisialy ny tena fanapahan-keviny marina. Mpandraharaha moa ny tenany, sady mpisehatra eo anivon'ny haino aman-jery. Nanorina ny antoko politika Anjomara sy Rivo-Baovao (ARB) ny tenany. Ny fanomezana fampiofanana arak'asa ireo tanora moa no stratejia fototra nanintonany ireo mpanara-dia azy.


Copyright Image : © ARB

Laza Razafiarison

Fanindroany izao no mikasa hilatsaka ho fidiana ho filoham-pirenena i Laza Razafiarison. Na dia tsy nahatafaverina ny "caution", izany hoe tsy nahazo 10% aza izy tamin'ny fifidianana farany teo, tsy nahakivy azy izany. Nambarany fa mbola vonona hatrany ny tenany hanavotra an'i Madagasikara. Hatreto nefa, mbola tsy niteny mazava izy raha hirotsaka ho fidiana ihany na tsia.


Copyright Image : © Laza R

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo